| Ainga Vaovao! |
![]() |
“AINGA VAO” . Io teny io no azo ilazana ny “projet” n’ireo mpikarakara ny site fkmp.org raha nivory niaraka tamin’ny birao izy ireo tamin’ny asabotsy 29 Aogositra lasa teo.
“Ainga vao “ satria misy fiovana makamin’ny tsara hatrany ny site fkmp.org. “Ainga vao” satria ny rehetra na ny kely na ny lehibe, na tanora na antitra, na ny ao antin’ny voamiera na ny tsy ao anatiny dia samy handray anjara ao avokoa. “Ainga vao” satria vao avy nahavita ny fialantsasatra ny rehetra ka samy vonona hiatrika ny taom-pianarana vaovao sy ny taona pastoraly vaoavao.
Iaraha-mahalala fa nandritra iny taona lasa iny dia nisy fanatsarana ny site fkmp.org. Nanaitra ny maro tokoa izany . Vokany, maro ireo olona nitsidika ny site fkmp.org, eny fa na dia ny faniriana te hijery ny sary miseho ao fotsiny aza. Maro ny olona nahafantatra ny fisian’ny FKMP ka nahatonga azy ireo hanontany sy hanantona hanatevin-daharana ireo malagasy miara-mivavaka amin’ny tenindrazany . Azo lazaina fa anisan’ny fitoriana ny vaovao mahafaly noho izany ny site fkmp.org. Ka izany indrindra no nahatonga ireo mpikarakara azy hiezaka sy hitady fomba hanatsarana azy hatrany. Porofon’izany izao hitantsika izao. Betsaka ny zava-baovao miova ato, “Tsy hidera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy" hoy ny fitenintsika.
Anjaratsika ny mijery sy mampitaha izany ezaka ataon’izy ireo izany no “Ainga vao”. Izany hoe Fandrosoana makamin’ny tsaratsara hatrany. Miezaka handavorary ny zavaboary.
Koa satria site katolika ny site fkmp.org dia ny rehetra no asaina handray anjara ao. Ny rehetra tsy misy avakavaka no hetsehina hanao “Ainga vao”. Tadidio fa samy manana ny talenta nomen’Andriamanitra azy ny tsirairay. Ampiasao ireny hanasoavana ny be sy ny maro. Misy ny mahay tononkalo mety hampitombo finoana na fahandrena ny hafa, misy ny mahay tonom-bavaka mety hampamohafoha ny finoan’ny sasany izay efa somary maimaina , misy ny mahita vaovao mahasoa ny be sy ny maro, misy ny manana tantaram-piainana mampiseho ny fanampiana’Andriamanitra azy teo amin’ny fiainany ary mendrika halaintahaka. Zarao amin’ny hafa fa aza kobonina ho anao samirery fa mety hahavonjy ny hafa ireny.
Koa manainga antsika rehetra àry hanao “Ainga vao”. Vao avy nahavita ny fialantsasatra isika koa antenaina fa nahazo hery hiantrehana ity taom-pikatrohana 2009-2010 ity. Maro ny adidy sy andraikitra miandry antsika ankoatry ny fandraisana anjara ao amin’ny site fkmp.org. Mirary fahombiazana ho antsika rehetra.
Enga anie ity taom-pikatrohana vaovao ity mba hampitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ilay arahintsika sy ezahantsika iainana.
Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

A l'occasion du 150ème anniversaire de la mort du curé d'Ars, St Jean-Marie Vianney, le pape Benoît XVI a annoncé le 16 mars, dans son discours de la Congrégation pour le Clergé le lancement d'une année sacerdotale, du 19 juin 2009 au 19 juin 2010.
"Fidélité du Christ, fidélité du prêtre", tel est le thème de cette année, durant laquelle Benoît XVI proclamera saint Jean-Marie Vianney "Patron de tous les prêtres du monde», il était jusqu'à présent patron de tous les curés.
Des initiatives spirituelles et pastorales seront mises en place dans l'ensemble des diocèses pour faire percevoir toujours davantage l'importance du rôle et de la mission du prêtre dans l'Eglise et dans la société contemporaine, comme aussi la nécessité d'accroître la formation permanente des prêtres et celle des séminaristes.
Cette année veut "contribuer à promouvoir un engagement de renouveau intérieur de tous les prêtres afin de rendre plus incisif et plus vigoureux leur témoignage évangélique dans le monde d'aujourd'hui", comme l'a rappelé Benoît XVI à la veille du lancement, évoquant "l'immense don que sont les prêtres non seulement pour l'Eglise, mais aussi pour l'humanité elle-même"
Commencée par les vêpres en la basilique Saint-Pierre de Rome, en présence des reliques du curé d'Ars apportées par Mgr Guy Bagnard, évêque de Belley-Ars, elle s'achèvera le 19 juin 2010 par une rencontre sacerdotale mondiale, Place Saint Pierre.