Ry Kristianina havana eto amin'ny FKMP,


Amin'ny alahelo lehibe sy ny finoana amin'ny Fitsanganan-ko velona no ampandrenesina antsika
fa nodimandry ny alin'ny Alakamisy 04 febroary tamin'ny 8 ora sy sasany,
teny amin'ny Clinique-ndry masera teny Ankadifotsy i

Mgr Joseph Ignace RANDRIANASOLO,

Evekan'i Mahajanga teo aloha,
teo amin'ny faha-63 taonany.

Teraka tao Nandihizina Mahitsy ANTANANARIVO izy ny 31 Jolay 1947.
Manana ny mari-pahaizana ambony Doctorat en Droit Canon
avy any amin'ny Oniversite Pontifikaly any Rome izy.
Nohamasinina Pretra ny 20 desambra 1975.
Notendrena ho Eveka Mpanampy tao Antananarivo ny 24 Oktobra 1997,
ka nohamasinina Eveka ny 08 Febroary 1998.

Lasa Evekan'i Mahajanga izy ny 11 Jolay 1999.
ary neken'ny Papa Benoît XVI ny fametraham-pialany tamin'ity volana febroary 2010 ity.

Ny razana dia iandrasana eny amin'ny Ekar Antanimena
sy hanaovana ny Sorom-piderana sy fisaorana an'Andriamanitra.
Izany dia hatao ny alatsinainy 08 febraory 2010. Halevina ao amin'ny katedraly Andohalo.

Miara-miombona alahelo amin'ny Fiangonana Katolika any Madagasikara
ny FKMP sy ireo Diosezy roa niasany

Koa mivavaha ho azy isika


ELIASY Liva
Prezidàn'ny FKMP


  Thierry ANDRONIC