Ry Kristianina havana eto amin'ny FKMP,


Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana, ka na eo aza ny fety fifaliana hatrehantsika mianakavy, dia mampandre anareo amin'ny alahelo lehibe, amin'ny anaran'ny Aumônier, ny Prezidà sy ny Birao ary ny Filan-kevitra Pastôraly, fa nodimandry aninkeho maraina alarobia 30 desambra 2009, ny maman'i Aline, zoky, mpiray tam-po amintsika ato amin'ny FKMP dia

Itompokovavy Marie Germaine Claudia NOIR
teo amin'ny faha- 94 taonany


Ho entintsika am-bavaka i Aline sy ny fianakaviany iray manontolo. Mafy ny famoizan-dreny tahak'izao, fa folak'andry niankinana, hoy ny fitenintsika.

Mbola eo am-pikarakarana ny razana moa izao, miaraka amin'ny Mutuelle de Madagascar, fa homena antsika miandalana ihany ny fanampim-baovao. Any Madagasikara no hatao ny fandevenana.

Mivavaha ho an'ny fialan-tsasatry ny fanahin-dRatompokovavy

"Handry amam-piadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay ;
fa Ianao, ry Iaveh, dia Ianao irery no mampitoetra ahy tsy amin'ny ahiahy "  Salamo 4



ELIASY Liva
Prezidàn'ny FKMP


  Thierry ANDRONIC