“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 03 May 2009

N° 16

ALAHADY faha 4 – FANKALAZANA NY PAKA – TAONA B

I JESOA, MPIANDRY ONDRY TSARA

 

Jesoa mpiandry ondry tsara

 

Teny mahazatra ny olona tao Palestina ny teny hoe « mpiandry ondry ».  Satria anton’asa mihintsy ny fiandrasana ondry tamin’izany fotoana izany.Natao isan’andro vao maraina mandra-pilentiky ny masoandro, eny fa  na dia ny alina koa aza satria atahorana sao lanin’ny biby masiaka ny ondry.

Anarana nomena an’Iaveh Andriamanitra sy ny mpitarika ny vahoaka koa io anarana mpiandry ondry io tao amin’ny Testamenta Taloha. Nampitahaina tamin’ny olona mpiandry ondry izay miahy sy mikolokolo ny ondriny  ny fiahian’Andriamanitra ny zanak’Israely.

 

Taty aoriana  dia I Jesoa no nampisalorana io anarana io. I Jesoa no ilay mpiandry ondry tsara.  Manana ny toetrany mampiavaka azy  manokana ny mpiandry ondry tsara: mitarika ny ondriny handeha  eny amin’ny vilo-maintso sy ny rano manala hetaheta . Misakana azy ireo tsy handeha mankany amin’ny  tany karakaina tsy ahitan-java-kohanina;  mahafoy fotoana sy hery ho an’ny ondriny; mahafantatra izay ilain’ny ondriny; mitsabo raha misy  marary ; mitondra ny ondriny araka ny sokajiny avy : mitrotro ny madinika  tsy afa-mandeha , mitarika  mora ireo reniny miadam-pandeha.

 

Mifampatoky  ny mpiandry ondry tsara sy ny ondry andrasana. Misy fifandraisana lalina ao amin’izy ireo. Ny ondry andrasana mahalala ny feon’ny mpiandry. Tsy manaraka feo afa tsy ny feon’ny mpiandry azy ireo. (Tadidio fa taloha dia misy feo toy ny sioka na hika ifankahalalan’ny mpiandry ondry sy ny ondry. Tsy miova iny feo iny ary tsy mandeha ny ondry raha tsy iny feo mahazatra azy iny). Mariky ny fifampitokisana izany.

 

Mihoatra lavitra ny fiahian’ny mpiandry ondry tsara ny ondriny ny fiahian’I Jesoa antsika olombelona. Nahafoy ny ainy ho antsika Izy. Nantsoiny tamin’ny anarantsika  tsirairay avy isika tamin’ny batemy noraisintsika. Iny batemy iny no ilay feo hahalalantsika Azy. Manao ahoana ny fifampitokisana eo amintsika vita betemy sy I Jesoa hatramin’izay nandraisantsika ny batemy izay ? Sao dia nanaraka feo hafa isika : feon’ny vola na feon’andriamani-kafa? 

 

Koa satria ny andro fankalazana ny fetin’ny mpiandry ondry tsara dia natokana indrindra  ho an’ny andron’ny fiantsoan’Anadriamanitra. Koa mivavaha isika mba ho maro ireo olona vonona hanokantena ho an’Andriamanitra. Mivavaha koa mba homen’Andriamanitra fo sy fanahy  hahafantatra izay hahasoa ny vahoakany ny mpitondra ao amin’ny Eglizy.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier

 

DIMANCHE 03 MAI  2009 – 4ème DIMANCHE DE PAQUES

DIMANCHE DU BON PASTEUR
Année B – Couleur liturgique : BLANC

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 4, 8 - 12

Tamin’izany andro izany, dia feno Fanahy Masina I Piera ka nilaza hoe : “Ry mpitondra ny vahoaka sy loholon’I Israely, rah any amin’ny soa nataonay tamin’ilay lehilahy malemy sy ny nahasitrana azy no anadinanna anay anio, dia aoka ho fantatrareo rehetra sy ny vahoaka Israely rehetra, fa ny Anaran’I Jesoa Kristy avy any Nazareta,, Izay nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana, fa natsangan’Andriamanitra ho velona , no nahasitrana io lehilahy  mitsangna eto imasonareo io. Iny Jesoa iny no vato narianareo mpanao trano, kanjo tonga vato fehizoro kosa ; ary tsy misy anaran-kafa ambanin’ny lanitranomena ny olona hahazoantsika famonjena”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly

1 Jo. 3, 1 - 2

Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika ! Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika ; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Joany

Jo. 10, 11 - 18

Tamin’izany andro izany, I Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe : “Izaho no mpiandry ondry tsara. Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny ; fa ny mpikarama kosa, noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry, vao mahita ny ambodia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry, fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy, satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry. Izaho no mpiandry ondry tsara, sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy, tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy sy ahalalako ny Ray koa, ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko. Mbola  manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity, ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko ; dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana. Izao no itiavan’ny Ray Ahy : satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray. Tsy misy maka azy amiko, fa ny Tenako ihany no mahafoy azy ; manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray : izany no didy azoko tamin’ny Raiko”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !


( fifampizarana

 

Izaho no Mpiandry ondry tsara

 

Isaky ny mankalaza ny fetin’ny Mpiandry ondry tsara isika dia tonga dia any amin’ireo izay nanokan-tena amin’ny asan’Andriamanitra no mifantoka ny eritreritsika. Ny teny voalazan’ny Evanjely anefa dia miantefa amintsika rehetra tsy ankanavaka, indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Paka izao. Fototry ny finoana iraisantsika ny nitsanganan’i Kristy ho velona mandrakizay, ary io fandreseny ny fahafatesana io dia nozarainy ihany koa ka antoky ny fahasambarana amin’ny fiainana mandrakizay. Izaho no mpiandry ondry tsara hoy i Jesoa. Tompony Izy fa tsy mpangalatra na mpikarama, araky ny voalazany manao hoe : Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana, fa Izaho no avy kosa dia mba hananan'ny ondry fiainana, sady hananany azy be dia be. […]  Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an'ny ondriny;  fa ny mpikarama kosa, …, vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry (Jn 10,10-12). Ny fananantsika io fiainana avy amin’i Jesoa Kristy io no ahafahantsika manatanteraka ny maha-zanak’Andriamanitra antsika. Noho izany, tsy misy avahany isika na iza na iza, na inona na inona ny safidim-piainantsika, satria samy voantso daholo handova ny fiainana mandrakizay. Mbola i Jesoa ihany no niteny hoe « Misy fitoerana maro ao an-tranon'ny Raiko » (Jn 14,2).

 

Izao vaninandron’ny Paka izao dia mampatsiaro antsika fa natsangan’i Jesoa Kristy ho mpandova miaraka Aminy isika. Nanavao ny toky nomena tamin’ny Batemy isika tamin’ny alina fankalazana ny Paka, ka afaka mandinika izany hoe teny nomena. Nomen’Andriamanitra fahalalahana anefa isika ahafahantsika misafidy eo amin’ny fiainana, ka ahafahantsika mihaino ny feon’ilay mpiandry ondry tsara, na kosa tsy hanatanteraka afa-tsy ny sitrapontsika.

 

Henontsika ny taratasy voalohan’i Md. Joany manao hoe : « Ry malala, zanak'Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika; fa amin'ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka azy isika, satria hahita azy araka ny tena toetrany » (1Jn 3,2). Na dia mbola miafina amintsika aza ny tena endrik’i Jesoa, ny teniny sy ny fiainany dia ahafahantsika manamafy ny finoantsika hanara-dia Azy, hiditra ao am-balany, ary koa hanampy Azy hikaroka ireo izay mbola tsy mahafantatra Azy. Izy irery ihany no ahazoantsika famonjena, Izy no hany fototra ahafahantsika manorina ny fiainantsika, Izy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Hiombom-bavaka isika ho an’ireo izay nirotsaka hiasa ao amin’ny sahan’ny Tompo, hifampitondra am-bavaka isika mba hananantsika hery hamaly ny antsony, eo amin’ny safidim-piainana misy antsika tsirairay avy. Hiombom-pitiavana isika handray Azy ao amin’ny Eokaristia, ka ho tanteraka amintsika anie ilay voalaza ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Joany manao hoe : « Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga zanak'Andriamanitra »(Jn 1,12).

 

Homba antsika mandrakariva anie ny fiadanan’i Jesoa Kristy nandresy ny fahafatesana.

 

 

 

NY SOA IFANDOVANA

 

Erikerika

 

Ranon'orana mitsitaika
no mitsaitsaika mandena orona
ranomaso mijaikojaiko
no patrakala eo an-tokonana
tsio-drivotra misafoto
no safosafon'ny fahavaratra
feo mipaika sy misahato
no ao an-tenda mipaipaika

nisotro maraina ny fanala
nioty antoandro ny ranon'ando
ka nangaina nanakatra ny tsy anjara
eny iky sodokan'ny takatra nihambahamba
ka sasatra foana ny niandrandra
vizana foana namisavisa

 

Mbola nandinika sy nibika
nijery izay rehetra tinopy maso
jembin'ny feno mangasohaso
Ka efa tonga any Ambohimitazana
vao tazan-tsakaiza amin'ny tanam-polo
variana nitafy ny toetran-dolo
ka tsy nahatazona vony iray.

Hanitr'Ony

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

Frera Urbain RAKOTOSOA

Pretra Trinitera

 

 

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

1.

FISAORANA

Misaotra ny Pretra sy ny Relijiozy Malagasy nanentana ny lamesa anio izay fankalazana ny fetin’ny Mpiandry Ondry Tsara.

 

2.

KOMONIO VOALOHANY

Ny Alahady 7 Jona 2009 no handraisan’ireo ankizy eto amintsika ao amin’ny Katesizy ny KOMONIO VOALOHANY (Sakramentan’ny Eokaristia) .

 

3.

ANTSAM-PANAHY LEHIBEN’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA

Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy 20 Jona 2009 no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny fandraisana anjara sy fanotronana izany.

 

4.

MATSOM-PANAHY HATAON’NY TANORA

Ny tanora dia hanao Matsom-panahy eny amin’ny Basilique du Sacré Cœur, eny Montamartre ny Alahady 24 May 2009. Efa misokatra ny fisoratana anarana. Ny Fiangonana no miantoka ny lany. Mamporisika ny fandraisan’anjara nyTanora rehetra.

 

 

¦ soritr’asa manaraka

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA MIARAKA AMIN’NY ANCMF :

Momba ny vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Temple (77), ny Asabotsy 27 Jona 2009 ho fankalazana ny Fetim-pirenena. Mbola homena antsika ny antsipiriany amin’izany, aorian’ny fihaonan’ny Birao roa tonta.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

F 10/05/2009 : Vaomieran’ny KOLONTSAINA

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 09/05/2009 : Vaomieran’ny FITANTANANA

 

Rakitra farany

26/04/2009

242,41 €

Volana Avril 2009

(4 alahady)

956,40 €