|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 07 Jona 2009 |
N° 20 |
|
FETIN’NY
TRINITE MASINA – TAONA B |
|
|
« FANOMEZANA SAROBIDY ATOLOTR’I NENY » |
|
Ankoatry ny fankalazana ny
fetin’ny Trinite Masina dia, Fety roa
sosona no ankalazaintsika anio alahady 7 Jona: « Fetin’ny Reny » sy
“Komonio Voalohany”. Fety roa sosona azo hitarafana ny fiainan’ny Fiangonana
sy ny kristianina vita batemy. Ny « Fetin’ny Reny »,
mampahatsiahy ny toeran’i « Neny » eo anivon’ny tokantrano, ny
hasarobidin’ ny andraikitra lehibe sahaniny amin’ny fikarakarana sy fikolokoloana
ary ny fikelezana aina mikaroka ny mety rehetra enti-manasoa ny
isam-batan’olona ao amin’ny fianakaviany mba haha-olom-banona sy mendrika azy
ireny eo anivon’ny fiaraha-monina. Mitondra antsika hampitahy ny
renim-pianakaviana amin’ny Fiangonana ny fahitana io anjara toerana lehibe
sahanin’ny reny io. Ny « Neny tia ny fianakaviany »dia sarin’ny
Fiangonana. Ny Fiangonana mikolokolo, tsy sasatra ny manolotra, manoro
antsika zanany ny lalam-pamonjena, sy izay mahasoa .Manome sy mizara fahasoavana
ho antsika zanany amin’ny alalan’ny
Teniny sy Sakramenta maro samihafa araka izay ilaintsika sy mifanandrify
antsika tsirairay avy Miseho miharihary izany fitiavan’I
Fiangonana ny Zanany izany androany amin’ny alalan’ny fandraisan’izy efatra
mianadahy ny «Vatana sy Ran’i Kristy ». Manome ny sakafom-panahy ny Fiangonana. Sakafo antoky ny fiainana
mandrakizay. Fotoana sarobidy ho azy efatra mianadahy ny
andro androany. Horaisin’izy ireo voalohany ao aminy ilay vatana aman-dran’I
Jesoa. Ho Miarahaba anareo Reny rehetra aho.
Misaotra manokana anareo koa amin’ny soa rehetra vitanareo sy ny modely
asehonareo izay taratry ny Fiangonana
kely ao an-tokatrano ao. Miarahaba anareo efatra mianadahy koa amin’izao fahasoavan-dehibe amin’ny
andraisanareo ny Vatana sy Ran’ny Tompo amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny
Eokaristia atolotry ny Fiangonana Reny Malalantsika izao. Raiso ary hiaino fa
io no « FANOMEZANA SAROBIDY ATOLOTR’I NENY» |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 07 JUIN 2009 – MESSE DE
|
|
NATSANGANA
OLONTSAMBATRA ANDROANY I FRERA
RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 –
1919) |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky
Deterônômy |
Det.
4, 32 – 34. 39. – 40 |
||
|
Taimin’izany andro izany, dia hoy I Môizy
tamin’ny vahoaka Israely : “Anontanio ny andro fahagola tany alohanao,
hatramin’ny andro naharian’Andriamanitra ny olombelona teto ambonin’ny tany
sy hatramin’ny faravodilanitra na aiza naiza raha mba nisy zava-dehibe tahaka
izany na oviana na oviana , na nisy re toy izany akory na oviana na oviana !
Vahoaka aiza no efa nandre ny feon’Andriamanitra niteny tao anatin’ny afo toy
ny efa renao, ka mbola velona ihany izy ? Oviana no mba nisy andriamanitra
nanandrana haka firenena anankiray ho azy tao afoavoan’ny firenena iray hafa,
tamin’ny fitsapana, famantarana, fahagagana, ady, tanana mahery, sandry
ahinjitra, ary fangorohoroana lehibe, toraky ny nataon’ny Tompo Andriamanitra
ho anareo, teo imasonareo, tany Ejypta ? Koa fantaronao anio, sy araiketo ao
am-ponao fa ny Tompo no Andriamanitra, any amin’ny lanitra ambony sy ety
an-tany ambany, ary tsy misy hafa. Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay
andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka
anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny
taona mifandimby rehetra any amin’ny tany omen’ny Tompo Andriamanitrao anao”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I
Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma |
Rôm.
8, 14 – 17 |
||
|
Ry Kristianina |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie
Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’i Md Matio |
Mt.
28, 16 – 20 |
||
|
Tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika
ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrobohitra nasain’I Jesoa nalehany. Nony
nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary I Jesoa
nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe : “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra
any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena
rehetra, manaova Batemy azy amin’ny anaran’ny Ray sy Zanaka sy ny Fanahy
Masina ; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary
indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo
izao”. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho
Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
Mitohy hatrany ny tantaram-pamonjen'Andriamanitra ny olombelona,araka
ny fandaharam-potoanan'ny Eglizy.Olombelona vahoaka voafidiny.Nidina tety
antany i Jesoa Kristy,niaranonina tamintsika,natao batemy, nijaly sy maty ary
nandresy ny fahafatesana ho mariky ny Fandresena.Rahefa niakatra any
andanitra i Jesoa dia nandefa ny Fanahy Masina tamin'ny Pantekôty ary
nanafatra ny fitoriana azy sy ny fampianarany. Ny Fanahy Masina no tena mahazanak'Andriamanitra antsika kristianina
vita batemy.Tena zanaka isika,miray lova amin'ilay Ray sy Zanaka ary Fanahy
Masina,izany hoe iray ao amin'ny "Trinite Masina".Isan'ireo voafidy
isika. Ho azy 4 mianadahy dia manandanja manokana izao fankalazana ny Trinite
Masina izao satria handraisan'izy ireo voalohany ny Tenan'i Krisy
"eokaristia hanina masina" amin'ny endriky ny mofo sy
divay.Isan'ireo voafidin'Andriamanitra izy ireo ka tena zanany voavonjy
tokoa.Lasa "Tempolon'Andriamanitra" velona mandrakizay. Ho feno hafaliana sy fiadanana hatrany anie izy ireo,hitombo finoana
sy fahendrena ka hahay hizara sy hampita izany.Mahereza rankizy.Hoantsika
rehetra vita batemy voafidin'Andriamanitra koa dia mba ho tena vavolombelon'i
Jesoa Kristy,hitory hatrany ny fampianarany. |
|
|
|
|
|
Amin’ny
anaran’ny ray aman-drenin’ny Komonio Voalohany |
|
|
|
NY SOA IFANDOVANA |
|
|
|
TSY IZA TSY AKORY Lay tokana an-tany tsy azo soloana, Lay be fandeferana
misolo voina Lay be fanompoana
tsy mila karama Ineny mikaja ny ankizy
ho salama. Lay be tebiteby
raha misy marary Lay hita eo akaiky
fa tsy mba manary Lay be orokoroka
mamy fiteny Tsy iza tsy akory
f’ianao hay r’Ineny Lay tanamasoandro
ao anatin’ny trano Sy vola-mazava sy
manganohano Lay mody
mitrerona, nefa tomany Tsy iza tsy akory
fa Ineny ihany R’Ineny
malala, ry sampin’ny foko Ry nanolokolo
nandresy toloko ‘Ty andro sy
volana ary ny daty. Natokan’izany ho
andro tsy maty |
|
||
|
Nosoratan’i Charles Andrianjafitrimo Boky « Ndeha hianatra
izahay » Lucie Razafintsalama
Rabenjamina. |
|||
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
KOMONIO
VOALOHANY Androany Alahady
7 Jona 2009 no handraisan’ireo
ankizy eto amintsika ao amin’ny Katesizy ny KOMONIO VOALOHANY (Sakramentan’ny
Eokaristia), eto amin’ny Fiangonana Saint Dominique 16, rue de Ny anaran’ireo hanao Komonio Voalohany : JAMES Princy-Moragan, ANDRIAMABALA
Rudy-Ivan, RANDRIAMANANTENA
Tiffanie, ANDRIAMANAMIRIJA
Dinasoa. |
|
|
2. |
ANTSAM-PANAHY
LEHIBE ATAON’NY ANTOKO MPIHIRANTSIKA Toy ny fanaony isan-taona dia ny Asabotsy 20 Jona 2009
no hanao ny ANTSAM-PANAHY lehibe ny ANTOKO MPIHIRA “Feon’Anjomara”, ho
famaranana ny taom-pianarana amin’ny asa fitoriana an’I Jesoa Kristy
nitsangan-ko velona. Koa dia efa mampiomana antsika mianakavy amin’ny
fandraisana anjara sy fanotronana izany. Hisy ny fitondrana am-bavaka ny
tanindrazantsika ka ny lohahevitra dia ny hoe : “GASIKARANAY, TAHIO”. Fandraisana anjara : 10 € Ny toerana hanaovana izany dia
ao amin’ny Crypte-ny Paroasy Saint Dominique 16, rue de Métro (Ligne 6) Saint Jacques na
RER B Denfert-Rochereau. |
|
|
ü VAOVAO NASIONALY SY ERA-TANY |
|
||
|
1. |
Frera
Raphaël-Louis RAFIRINGA Androany Alahady 07 Jona 2009,
Alahadin’ny Trinite Masina, no hatao ao Antananarivo ny fananganana ho
Olontsambatra an’i Frera Raphaël-Louis RAFIRINGA (1856 – 19 mai 1919). Izy
moa no Frera Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles
Chrétiennes (Fianakaviam-be lasalianina). I Mgr Angelo AMATO, Préfet de la
Congrégation pour la cause des Saints ao Vatican (Rome), no hitarika ny
fotoana, misolontena ny Papa Ray Masina Benoît XVI. Hisy
fankalazana izany manokana eto amin’ny FKMP ny Alahady 14 Jona 2009. Site : http://www.rafiringa.net/ |
|
|
|
2. |
FFKM France Ho Fankalazana ny Fetim-pirentsika dia ny Alahady 21 Jona 2009 no hanovana ny
Fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana karakarain'ny FFKM France ho fangataham-pitahiana
ho an'ny vahoaka Malagasy sy ny tanindrazana. Izany dia hatao ny ao amin'ny Paroasy Sainte Trinité - 3, rue de la
Trinité - 75009 Paris , Métro : Trinité. Manomboka amin'ny 3 ora tolak'andro ny fotoana. |
||
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA
MIARAKA AMIN’NY ANCMF Momba ny
vaovao nasionaly dia hisy koa koranam-pianakaviana hatao eny Savigny le Ny
fanomanana sy ny fanatanterahana ny lanonana dia eo ambany fiahian’ny Birao
Nasionaly. Toy ny
natao teto amin’ny FKMP: dia hisy ny fitsinjarana ny asa, fangatahana “dons”
ary ny fivarotana billetss ka mamporisika ny tsirairay. [Jereo ao amin’ny
“flyer”]. |
|
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : F 14/06/2009 : Ireo
Maintimolalin’ny Frères des Ecoles Chrétiennes (Fianakaviambe Lasaliana) |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : F 13/06/2009 : Ireo
Maintimolalin’ny Frères des Ecoles Chrétiennes (Fianakaviambe Lasaliana) |
|
|
Rakitra farany |
24/06/2009 Totalin’ny
volana May |
171, 57€ 816, 00 € |