“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 26 Jolay 2009

N° 26

ALAHADY FAHA 17 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

La multiplication des pains

 

Au désert, notre Seigneur multiplia le pain, et à Can il changea l’eau en vin. Il habitua ainsi la bouche de ses disciples à son pain et à son vin, jusqu’au temps où il leur donnerait son corps et son sang. Il leur fit gouter un pain et un matériel pour exciter en eux le désir de son corps et de son sang vivifiants. Il leur donna libéralement ces menues choses, pour qu’ils sachent que son don suprême serait gratuit. Il les leur donna gratuitement, bien qu’ils eussent pu les lui acheter, afin qu’ils sachent qu’on ne leur qu’on ne leur demanderait pas de payer le prix du pain et du vin, ils ne pourraient payer son corps et son sang. Non seulement il nous a comblés gratuitement de ses dons, mais encore il nous a cajolés avec affection. Car il nous a donné ces menus morceaux de pain et de vin qu’il a donnés étaient doux à la bouche, mais le don de son corps et de son sang est utile à l’esprit. Il nous a attirés par ces aliments agréables au palais afin de nous entraîner vers ce qui vivifie les âmes … L’œuvre du Seigneur atteint tout : en un clin d’œil, il a multiplié un peu de pain. Ce que les hommes font et transforment en dix mois de travail, ses dix doigts l’ont fait en un instant…. De la petite quantité de pain est née une multitude de pains ; il en fut comme lors de la première bénédiction : « Soyez féconds,  multipliez-vous, emplissent la terre » (Gn 1,28).

Saint Ephrem (vers 306 – 373)

Diacre en Syrie, Docteur de l’Eglise


DIMANCHE 26 JUILLET 2009 – MESSE DU 17ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

 

OLONTSAMBATRA – BIENHEUREUX

FRERE RAPHAËL – LOUIS RAFIRINGA (1856 – 1919)

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 4, 42 – 44

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy iray avy any Baala-Salira nitondra mofo natao tamin’ny santa-bary ho an’i Elisea, olon’Andriamanitra, dia mofo ôrja roapolo, sy vary vaovao tao an-dasàkany ; ka hoy i Elisea : “Omeo ny olona hohaniny”. Fa hoy ny navalin’ny mpanompony : “Hatao ahoana no fandroso izany eo anatrehan’ny olona zato” ? Fa hoy i Elisea : “Omeo ireo olona ireo hohaniny ; fa izao no lazain’ny Tompo : “Hihinana ny olona ary mbola hisy sisa tsy lany”. Dia norosoana izy ireo ka nihinana, nefa mbola nisy sisa tsy lany araka ny teny voalazan’Andriamanitra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Efezy

Efez. 4, 1 – 6

Ry Kristianina havana, mangataka aminareo aho, dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo, mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo, amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana ; mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana ; fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy fanahy iray, araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray : tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray, ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra, manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Joany

Jo. 6, 1 – 15

Tamin’izany andro izany, I Jesoa lasa nankany an-dafin’ny ranomasin’i Galilea, na ny farihin’i Tiberiady, ary vahoaka be no nanaraka Azy, noho izy ireo nahita ny fahagagana nataony tamin’ny marary. Dia niakatra tany an-tendrombohitra I Jesoa, ka nipetraka teo Izy mbamin’ny mpianany. Efa akaiky ny Paka andro lehibe tamin’ny Jody. Nony nanopy ny masony I Jesoa, ka nahita ireto vahoaka be nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo : “Aiza no hividianantsika mofo hohan’ireo ?” Fantany rahateo ny hataony, fa ny hitsapany azy no nilazany an’izany. Dia hoy I Filipo taminy : “Na dia mofona denie roanjato aza, tsy ampy hahazoan’izy ireo sombiny kely avy akory”. Ny anankiray tamin’ny mpianany koa, dia i Andre rahalahin’i Simôna Piera, nilaza taminy hoe : “Misy zazalahy anankiray manana mofo ôrja dimy sy hazandrano roa ao : fa ho ampy inona izany amin’ny olona maro be toy izao ?” Dia hoy I Jesoa : “Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo, ka dia nipetraka ny olona, ary tokony ho dimy arivo no isan’ny lehilahy. Dia nandray ny mofo I Jesoa, ka nony efa nisaotra dia nizarazara azy tamin’izay nipetraka ary nomeny toy izany koa ny hazandrano sady nampanaranany fo.

Rehefa voky izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany : “Angony ny sombintsombiny sisa tsy lany, mba tsy hisy very”. Dia nangoniny, ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo ny sombintsombin’ny mofo dimy sisa tsy lanin’izay nihinana. Nony nahita ny fahagagana nataon’I Jesoa ireo olona ireo, dia nanao hoe : “Ity tokoa no Ilay Mpaminany ho avy amin’izao tontolo izao”. Dia fantatr’I Jesoa fa ho avy haka Azy an-keriny hatao mpanjaka izy ireo, ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

HERINTAONA SAHADY IZAY !

“Indro havaozoko ny zava-drehetra”. Tanteraka ara-panahy sy ara-bakiteny teto amin’ny Fiangonantsika izany tenin’ny Soratra Masina izany. Herintaona sahady izao no niasa ny Birao vaovao eto amin’ny Fiangonantsika. Raha tonga nanolotra Sorona Masina sy nitsodrano ny  Birao vaovao, ny alahady 19 oktobra 2008, i Mgr Xavier RAMBAUD, Vikera Episkôpaly, miandraikitra ireo Fiangonana mpiavy eto amin’ny Diosezy, sady tao anatin’ny herinandro manokana Fampielezana finoana dia nankahery ny FKMP. Nampiarina rahateo ny Fitsipika Anaty vaovao manangana ny Filan-kevitra Pastoraly, itovizana amin’ny Paroasy rehetra eto amin’ny Diosezy izay manampy sy miara-miasa ny Pretra Solontenan’ny Eveka eto anivontsika. I Kristy dia tsy miova omaly, anio ary mandrakizay fa ny fomba fisainana sy ny fomba fiasa no takiana hatrany hiavao hifanahaka bebe kokoa ny Vaovao Mahafaly. Miezaka mitondra ainga vaovao ny Birao tao anatin’izay herintaona niarahantsika izay. Miara-miasa sy manampy ny Pretra, ary manentana ny Filan-kevitra Pastoraly izay eo ambany fitantanan’ny Pretra rahateo. Ny fiainam-panahy no ezahina voalohany hatsaraina amin’ny alalan’ireo fanentanana sy fanofanana : Litorizia, Matsom-panahy...Nisy ezaka vaovao koa ny fanentanna ny tsirairay teo amin’ny fizakana adidy toy ny Hasin’Andriamanitra (Denier de l’Eglise). Nahitam-bokatra izany. Ho tsinjovina manokana ireo taranaka madinika ao amin’ny Vaomieran’ny Kolontsaina eto amin’ny FKMP. Mbola miana-mamindra nefa tsy maintsy talaky mandeha isika eo ambany fiahian’ny Fanahy Masina. Koa misaotra antsika rehetra ary mirary fialan-tsasatra mahafinaritra sy mahomby. Manovoza hery vaovao daholo ho enti-miatrika io taona pastoraly vaovao io. I Kristy no tena Sakafo mahavita taona.

Ny BIRAOM-PIANGONANA

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

1.

FILAN-KEVITRA PASTORALY

Vita soa aman-tsara tamin’ny alahady 19 jolay teo ny fivorian’ny Filan-kevitra pastoraly ara-potoana sady mamarana ity taona pastoraly  2008 – 2009 ity. Mbola misy ihany  ny antsipiriany homena antsika kristianina tsy ankanavaka mba tsy ho tompon-trano mihono. Toy izao ny famintinana :

Samy nanao tatitra jery todika ireo Vaomiera tsirairay :

·       Ny Vaomieran’ny Finoana dia nanao ezaka ho fanatsarana hatrany ny Litorizia eto amin’ny FKMP. Fanentanana ho fampandraisana anjara ny rehetra satria asam-pokonolona ny Litorizia ary koa ny fanofanana. Teo ny fanazavana momba ny “Angelus”. Be ny vokatra, maro ire nandray ny Sakramenta teto main’ny FKMP. Nisy koa ny fampianarana ireo mpiserivy Lamesa ary mbola hitohy izany. Vita soa aman-tsara koa ny boky kely fanarahan-damesa amin’ny teny frantsay sy teny malagasy. Toy izany koa ny akanjon’ny mpiserivy Lamesa. Hitohy ny fiofanan’ireo mpampianatra katesizy. Nisy koa ny ezaka ho an’ny rakitra karemy. Teo koa ny Antsam-panahy lehibe nataon’ny Antoko Mpihira “Feon’Anjomara”, andrin’ny Litorizia rahateo eto amin’ny FKMP. Izy ireo dia miizaka manentana paroasy frantsay vitsivitsy isan-taona.

·       Ny Vaomieran’ny Kolon-tsaina dia nanomboka koa tamin’ny fampitaovana ara-boky ireo zanatsika. Na dia tery aza ny fotoana dia niezaka hatrany ireo mpanabe sy ny ankizy namaly ny antso nataon’ny Fiangonana. Mampiavaka ny FKMP ny fananana ity Vaomiera ity ary maro ny ray aman-dreny tonga ny alahady  noho izany antony izany koa. Mampita ny kolon-tsaina  sy ny teny malagasy amin’ireo taranaka.

·       Ny Vaomieran’ny Fiaraha-Monina dia manohy tsy ankajanona ny fikolokoloana ny fehim-pihavanana eto amin’ny FKMP na an-kasoavana na an-karatsiana. Novangiana ireo marary ka nampandre. Nisy ezaka manokana koa momba ireo kambana Malagasy avy any an-tanindrazana izay nodidiana nosarahina fa niraikitra. Nampiseho firaisan-kina tamin’izany ny FKMP.

·       Ny Vaomieran’ny Fifandraisana dia nanavao ny fitaovam-pifandraisana misy eto amin’ny FKMP. Nisokatra ny Site vaovaontsika fkmp.org, nohatsaraina ny endriky ny Isan-tokantrano. Manohy hatrany ny fanisana ny isan’ny mpiangona  sy mandray ireo kristianina isan’Alahady. Mandray ny anaran’ireo vaovao na ny fisoratana anarana rehefa misy fihetsika ataon’ny FKMP toy ny Matsom-panahy na Zaika ...

·       Ny Vaomieran’ny Fitantanana dia nanavao ny fampitaovana ny FKMP eo amin’ny kojakoja fanadiovbana, na ny fitantanana ny fitaovam-piangonana. Nanao inventaires ny fananam-piangonana koa. Nahazo photocipieur vaovao isika.

·       Ny Vaomieran’ny Tanora dia nanao ezaka manokana teo amin’ny fanentanana ny Matsom-panahy nataon’izy ireo. Fandraisana anjara amin’ny ezaka ataon’ny Diosezy toy ny Pelerinazy isan-taona any Chartres.

 

 

¦ soritr’asa manaraka

1.

ZAIKAM-PARITRA

Tapitra androany ny fisoratana anarana ho any amin’ny Zaikam-paritra izay hatao any Lisieux ny 03 sy 04 oktobra 2009.

 

Misaotra antsika rehetra nivonona handeha.

 

Rakitra FARANY

19/07/2009

225,75

SITUATION TRESORERIE FKMP AU 19/07/2009

Recettes

18 841,26 €

Dépenses

13 031,00 €

Résultat

5 810,26 €

Solde au 01/01/2009

5 986,00 €

Solde au 19/07/2009

11 796,26

 

TABLEAU DE BORD AU 19/07/2009

Solde Caisse au 19/07/2009

8,63 €

Solde Banque SG au 19/07/20099

8 676,26 €

Solde Compte ADP au 19/07/2009

3 111,37 €

TOTAL

11 796,26