|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy
Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 06 Septambra 2009 |
N° 27 |
|
ALAHADY FAHA 23
MANDAVANTAONA – TAONA B |
|
|
Misokafa amin’Andriamanitra
sy ny namana dia hahita fahasambarana Any
Dekapaoly tanàna sady tsy mino no tsy mahalala an’Andriamanitra I
Jesoa no mahita ity moana marenina ity.
Raha araka lalàn’I Moizy dia tsy tokony hifampikasokasoka amin’Io
tanàna io I Jesoa ( Jody) satria tanàna tsy mino an’Andriamanitra. Noravan’I
Jesoa anefa izany lalàna izany. Tsy tiany ny hisian’ny efitra manasaraka ny
Jody sy ny tsy Jody. Ny firenena rehetra no natao hitoriana , hahalala ny
fisian’Andriamanitra. Tsy natokana ho an’ny olombitsy ny famonjena avy
amin’Andriamanitra fa natao ho an’ny firenena sy ny foko rehetra. Manentana
ny kristiana mba tsy hampisy rindrina mapisaraka eo amin’ny mahantra sy ny
mpanankarena ny Vakiteny faharoa
manamafy izany tarigetran’i Jesoa izany. Manambara ny fomba fiainantsika eo
anatrehan’Andriamanitra sy ny olona manodidina antsika io aretina “moana sy
marenina “io. Moana sy marenina isika rehefa tsy te hahalala ny
Tenin’Andriamanitra ka manao azy ankilabao. Moana sy marenina isika rehefa
tsy te hifandray amin’ny hafa sy amin’Andriamanitra. Moana sy marenina isika
raha tsy mivelatra amin’ny manodidina antsika. Mila tsaboana izany aretina
ara-panahy izany. I Jesoa no afaka manasitrana antsika amin’io
aretina mampalahelo io. Miantso antsika izy satria te hanasitrana antsika.
Izy no manao dingana voalohany amin’izany. Izy no mampianatra antsika
hahalala an’Andriamanitra sy ho tia ny manodidina antsika. Tsy afaka hanao
inona na inona amintsika anefa Izy raha tsy manaiky ho tsaboina isika. Ary ho antsika mahatsiaro tena ho efa sitrana
: tsy moana tsy marenina, mitana sy
mino mafy ny Tenin’Andriamanitra, mpikatroka mahafatrapo ato amin’ny FKMP,
anjarantsika no mampatsiahy sy mapahalala ireo manodidina antsika. Manomboka
izao ny taona pastoraly,ianareo Vaomiera isan-karazany, tanora , Sampana, ny
olon-drehetra no entanina hijoro ho
vavolombelona manambara ny fitiavan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny
andraikitra sahanintsika. Tsy misy faly
sy sambatra amin’ny aretina “moana sy marenina”. Mazotoa mifandray sy
mivelatra amin’Andriamananitra sy amin’ny hafa. Dingano ny
rindrim-panavakavahana misy eo aminao sy ny mpiara-mivavaka. Atsaharo ny
fanaovana lolom-po sy valifaty, mahaiza mifamela heloka. |
|
|
P.
Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
|
Aumônier |
|
|
Année B – Couleur liturgique : VERT Isaïe annonçait un messie qui ouvrirait les yeux des
aveugles et les oreilles des sourds (première Lecture). Cette parole du
prophète s’accomplit en Jésus Christ (l’Evangile), pour chacun des baptisés.
Le peuple nouveau des baptisé, sauvé de l’aveuglement et de la surdité qu’entraine le péché, retrouve sa dignité première (deuxième
Lecture). La dignité des pauvres dans l’Eglise. S’ouvrir pour se détacher de
ses certitudes et accueillir la nouveauté de l’Evangile : LA FORCE DE
L’AMOUR. |
|
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’I Izaia
Mpaminany |
Iz. 35, 4 –
7a |
||
|
Ilazao ny
mitebiteby fo ataovy hoe : Makà
hery fa aza matahotra. Inty ny Andriamanitrareo, tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no avy, dia hamonjy anareo. Amin’izany dia hahiratra ny mason’ny
jamba, halady ny sofin’ny marenina. Hitsambikina hoatra ny serfa ny
mandringa, hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana. Fa hisy rano miboiboika
any an’efitra ; ary sakeli-drano
eny an-tany lemaka lava volo. Ny tany hay hanjary
farihy, ary ny tany mangetana
ho loharano. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasin’I Md
Jakôba Apôstôly |
Jak. 2, 1 –
5 |
||
|
Ry kristianina |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely
Masina nosoratan’I Md. Marka |
Mk. 7, 31 – 37 |
||
|
Tamin’izany andro
izany, I Jesoa niala amin’ny faritanin’I Tira, ary namaky ny
faritanin’I Sidôna ka |
|||
|
Izany àry no Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho anao ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|
TIA TSY MANAVAKA ANDRIAMANITRA Fitiavana maimaim-poana
sy tsy misy fanavahana no itiavan'Andriamanitra antsika. Fitiavana mitsinjo
ny madinika indrindra. Moa và tsy firenena faran'izay madinika sy nijaly no
nofidiany ipoiran'ny famonjena antsika ? Ny masontsika
mazàna azo lazaina fa jamban'ny endrika ivelany ka tsy mahita ny fahantrana
ara-panahy mety afenin'izany. Ny fitiavana
an'Andriamanitra no tena harena maharitra mandrakizay ary izany no takian'ny
Tompo amintsika ary itsaràny antsika. Amin'izao
fanombohan'ny taona pastoraly izao, dia mangataka amin'Andriamanitra isika
mba hanana izany fitiavana lehibe izany, fitiavana hanenika ny fiainantsika
ka hampanjakaintsika manodidina antsika. MESSE D’ENVOI DES CATECHISTES Ny
Asabotsy 12 Septambra 2009 izao no hitarika ny Lamesa fanirahana ny
mpampianatra Katesizy rehetra eto amin’ny Diosezin’i Paris ny Kardinaly André
VINGT-TROIS, Arsevekantsika. Ao amin’ny
Paroasy Saint Germain des Prés (Paris
6ème) – 3, Place St Germain des Prés, manomboka
amin’ny 10 ora maraina. Métro : St Germain des Prés (Ligne n° 4). Koa manainga
ny mpampianatra Katesizy rehetra eto amin’ny FKMP hanatrika izany. |
|
|
Fara RASOLOJAONA |
|
|
Vaomieran’ny FINOANA |
|
|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
TAONA
PASTORALY VAOVAO : Manomboka taona pastoraly vaovao isika mianakavy rehefa avy niala sasatra,
nanovo hery vaovao. Dia ho vao hatrany ny
ezaka rehetra hataontsika ato amin’ny FKMP. Vakio tsara ny fanentanana
ataon’ny Aumônier-ntsika sy ny fifampizarana
atolotry Vaomieran’ny Finoana. Miezaka manao tsaratsara kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa. Mangataka ny Fahasoavan’Andriamanitra mba tsy ho moana
fa sahy manambara ny Teniny amin’ny olon-drehetra. Atongilano ny sofina mba
ho afaka mifampihaino tsara isika. Mizara sy miaina
ny Tenin’Andriamanitra.
Ho resy lahatra fa Tenim-pitiavana izany ka mamelona antsika mianakavy. Samia mirotsaka amin’ny asam-panompoana takiana
aminao eto amin’ny FKMP fa aza mialangalana. Ho tsara taona daholo ary soava
dia hahefa be hamokatra eo amin’ny Sahan’ny Tompo. |
|
|
2. |
TAONAN’NY
PRETRA : Rehefa avy nankalaza ny taonan’I Md
Paoly isika, dia mankalaza indray ny taonan’ny
Pretra amin’ity taona pastoraly vaovao ity araka
ny fanambarana nataon’ny Papa Benoît XVI. Nanomboka ny Zoma 19 jona
2009 ary
mifarana ny Asabotsy 19 jona
2010 izany.
Ao anatin’ny faha - 150 taona nahafatesan’I
Md Jean-Marie VIANNEY, Curé
tao Ars ary sady mpiahy
ny Pretra. Mandritra izao fankalazana izao no hambara amin’ny
fomba ofisialy fa mpiaro ny Pretra rehetra I Md Jean-Marie VIANNEY. |
|
|
3. |
FAMPIANARANA
KATESIZY : Hanomboka koa ny fampianarana katesizy eto amin’ny Fiangonantsika.
Ny finoana no antom-pisian’ny Fiangonana koa noho izany
fanabeazana fototra ny katesizy. Ny Fiangonana no toerana voajanahary iveloman’ny Finoana. Manainga ny ray aman-dreny rehetra handefa ny zanany
amin’izany. Sokajiana araka ny taona
ny ankizy amin’izany. |
|
|
4. |
FIOMANANA
AMIN’NY SAKRAMENTA : Misy koa ny fiomanana amin’ny fandraisana ny Sakramenta :
Batemy, Komonio Voalohany, Konfirmasio ary Mariazy. Manatona ny Pretra
ireo te handray ny Sakramentan’ny
Fampihavanana. |
|
|
5. |
NIOVA
ENDRIKA NY SITE-NY FKMP : Isan’ny ainga vao teto amin’ny FKMP ny fanavaozana ny Site. Marobe isika no nitsidika sy nijery izany
tamin’iny taona pastoraly lasa iny. Ankehitriny dia endrika vaovao
indray no isehoiany amintsika mianakavy. Koa mahazotoa mitsidika ao. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
ZAIKAM-PARITRA : Efa tapitra tamin’ny alahady 26 Jolay 2009 ny fisoratana anarana ho any amin’ny Zaikam-paritra izay hatao any Lisieux ny 03 sy 04 Oktobra 2009. Misaotra antsika rehetra nivonona handeha. Androany sy amin’ny
heriny isika no tsy maintsy manefa
ny ambony amin’ny fandraisana anjara (10 euros efa
naloantsika). Koa manatona
ny mpiandraikitra isika. |
|