“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 13 Septambra  2009

N° 28

ALAHADY FAHA 24 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

Ataonao ho iza i Jesoa ?

 

Sedrain’I Jesoa ny finoan’ny mpianany. Fanontaniana roa no apetrany: “Ataon’ny olona  ho iza moa Aho?  “Fa ianareo kosa  manao Ahy ho iza?” . Manao “sondage” momba ny tenany I Jesoa.

Mitovitovy ny hevitry ny maro. Heverin’ny olona ho toy ny olo-malaza Izy. Tahakan’I Joany Batista noheverina fa nitsagan-kovelona, tahakan’I Elia ilay hialoha ny fahatongavan’I Mesia, tahaka ny  mpitondra Tenin’Andriamanitra .( Porte parole de Dieu).

Mipetraka amintsika ankehitriny koa ireo fanontaniana ireo : « ataon’ny olona ho iza i Jesoa », ary « ataonareo ho iza Izy ? » Nandritra iny herinandro lasa iny mba misy resaka henonao ve any am-piasanao , any amin’ny quartier momba an’i Jesoa ? Mba  misy miresaka Azy ve  eny an-dalana, any anaty metro sy RER? Tsy  heverin’ny olona adala ve  izay miresaka izany? Efa mba nametraka fanontanina tamin’ny tenanao ve ianao ny momba an’I Jesoa ilay fototry ny finoantsika sady imatimatesantsika isan’andro ?

Tahakan’I Piera isika, tsy maintsy mitondra ny fahalalantsika momba an’I Jesoa. Tsy faly mitantara ny fahitan’ny olona an’I Jesoa fa tsy maintsy miezaka mamantatra Azy. Ary tsy maintsy mihoatra ny fahalalan’ny sarababen’ny kintana ny momba an’I Jesoa ny fahalalantsika Azy. Tsy maintsy fatantsika fa Izy ilay voahositr’Andriamanitra (Messie) ilay olona tonga hanome dikany ny fiainantsika  olombelona.

Tsy Mesia mpanao politika afaka mifanandrina amin’ireo firenena matanjaka eto an-tany.Tsy Mesia manamboninahitra miedinedina ambonin’ny seza volamena  fa Mesia nijaly niaritra ny mafy indrindra ka nahafoy ny ainy ho an’ny olon-drehetra: “ny zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafyary ho vonoina , fa hitsangana indray raha afaka hateloanahoy Izy.

 Tsy mamporisika antsika ho tia fijaliana anefa io teny niainan’I Jesoa io. Marina fa tsy vitsy ireo kristianina taloha nanao fampijaliantena mba ho fandraisana anjara amin’ny fijalian’I Jesoa. Azo lazaina fa fahadisoan-kevitra ihany izany. Efa ampy antsika ny fahoriana miseho eo amin’ny fiainantsika an-davanandro: fahafatesana, aretina, fisarahana, ady hevitra tsy mitovy ka mahatonga fifamonoana…. Tsy afaka mandositra ireny fahoriana ireny isika, lalàn’ny fiainana ireny.  Ny tsirairay no tsy maintsy miaina ny mety ho fahoriana izay mianjady amin’ny tenany. Zavatra tsy azo ialana izany.  Ireny rehetra ireny no entintsika atolotra an’I Jesoa mba hisy dikany ny fiainantsika. Raha miara-mijaly Aminy isika dia hiara-belona Aminy koa.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier



DIMANCHE 13 Septembre 2009 – MESSE DU 24ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

 



Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.




& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’I Izaia Mpaminany

Iz. 50, 5 – 9 a

Nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny sofiko, ary tsy mba nanohitra aho, na nihemotra akory. Natolotro tamin’ny mpikapoka ahy ny lamosiko ary tamin’ireo nanongotra ny volambavako, ny takolako ; ary ny tavako tsy nafeniko tamin’ny latsa sy ny rora. Fa ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy, ka latsa tsy nahaketraka ahy ; ka ny tavako nataoko manahaka ny afo-vato, ary fantatro fa tsy ho menatra aho. Akaiky Ilay manamarina ahy : iza no handahatra manohitra ahy ? Aoka hifanatrika isika ! Iza no manohitra ahy ? Aoka izy hankaty amiko ! Ny Tompo Andriamanitra namonjy ahy : Ka iza no hanameloka ahy ?

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Jakôba Apôstôly

Jak. 2, 14 – 18

Ry Kristianina Havana, raha misy olona milaza azy ho manam-pinoana, nefa tsy manana asa, inona no soa ho azony ? Moa hahavonjy azy va izany finoana izany ? Raha misy rahalahy na anabavy tsy manan-kitafy sy tsy manan-kohanina isan’andro, ka ilazan’ny iray aminareo hoe: “Mandehana amim-piadanana, mamindroa sy mivokisa”, nefa tsy omeny izay ilain’ny vatany, inona no soa azony amin’izany ? Mba toy izany ihany koa ny finoana, raha tsy omban’asa izy, dia tena maty mihitsy. Hamaly koa ny olona hanao hoe : “Ianao manam-pinoana, hono, ary izaho manana koa. Asehoy ahy hoe ny finoanao tsy misy asa ; ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny asako”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 8, 27 – 35

Tamin’izany andro izany, I Jesoa sy ny mpianany dia nankany amin’ny vohitra manodidina an’i Sezarean’i Filipo ary teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy nanao hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?” Ary ireo namely Azy nanao hoe : “I Joany Batista, hoy ny sasany ; I Elia, hoy ny sasany ; ary  anankiray amin’ny mpaminany, hoy kosa ny sasany”. Ary hoy Izy tamin’izy ireo : “Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza ?” Dia namely i Piera ka nanao taminy hoe : “Ianao no I Kristy”. Ary norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza Azy na amin’iza na amin’iza.

Tamin’izay, nambarany tamin’izy ireo fa ny Zanak’olona dia tsy maintsy hijaly mafy sy hatosiky ny loholona mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hovonoina, fa hitsangana indray raha afaka hateloana, sady nataony mazava tsara ny filaza izany. Dia nentin’i Piera nitanila Izy ka noteneniny mafy. Fa nihodina nijery ny mpianany Izy, ary niteny mafy an’i Piera hoe : “Mialà amiko, ry Satana, satria tsy mihevitra araka an’Andriamanitra ianao, fa araka ny olombelona”. Dia nantsoiny ny vahoaka mbamin’ny mpianany ka nilazany hoe : “ raha misy te hanaraka Ahy aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliana ka hanaraka Ahy. Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely no hamonjy azy”.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

Iza moa ianao ry Jesoa ?

 

Somary tsaroako io tantara an-tsehatra nokarakaraina Pretra sakaiza iray any Madagasikara io.

Hita taratra tamin’izany fa i Kritsy mihintsy no nilaza amintsika ny hoe « iza tokoa moa Izy ? ». Tamin’ny alalan’ny iraka sy ny asa izay nanirahan’Ilay naniraka azy no nanambarany izany.

 

Ny asa tokoa mantsy ny ahafantarana antsika. Azo lazaina fa io asantsika io dia anisan’ny vokatry ny ao anatitsika : ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Maro ny iraka iantsoana antsika tsirairay avy. Samy manana ny hasiny avokoa izy ireny. Inoako fa samy ahafahantsika manamarika ny Finoana sy ny Fanantenana ary ny Fitiavana izy ireny.

 

Koa enga anie ka ho samy hikatsaka izay fahasoavana tandrify antsika tsirairay avy isika amin’ity taona pastoraly vaovao ity.

 

Ka amin’ny asantsika, isika izay vavolombelona, no ahafantaran’ny mpiara-belona amintsika ny valim-panontaniana hoe : Iza tokoa moa i Jesoa !

 

Rivo RASOLOFOMANANA

Mpitantsoratra / Birao FKMP



¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

FILAN-KEVITRA PASTORALY TSY ARA-POTOANA :

Manomboka taona pastoraly vaovao isika mianakavy rehefa avy niala sasatra, nanovo hery vaovao. Dia ho vao hatrany ny ezaka rehetra hataontsika ato amin’ny FKMP. Androany talohan’ny Lamesa no nanao fivoriana tsy ara-potoana ny Filan-kevitra Pastoraly nandinihana indrindra momba ny fihomantsika FKMP amin’ny Zaikam-paritra tapany avaratra any Lisieux.

 

2.

TAONAN’NY PRETRA :

Rehefa avy nankalaza ny taonan’I Md Paoly isika, dia mankalaza indray ny taonan’ny Pretra amin’ity taona pastoraly vaovao ity araka ny fanambarana nataon’ny Papa Benoît XVI. Nanomboka ny Zoma 19 jona 2009 ary mifarana ny Asabotsy 19 jona 2010 izany. Ao anatin’ny faha - 150 taona  nahafatesan’I Md Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars ary sady mpiahy ny Pretra. Mandritra izao fankalazana izao no hambara amin’ny fomba ofisialy fa mpiaro ny Pretra rehetra I Md Jean-Marie VIANNEY.

 

3.

FAMPIANARANA KATESIZY, FIVORIAN’NY MPANABE AORIAN’NY LAMESA :

Hanomboka koa ny fampianarana katesizy eto amin’ny Fiangonantsika. Ny finoana no antom-pisian’ny Fiangonana koa noho izany fanabeazana fototra ny katesizy. Ny Fiangonana no toerana voajanahary iveloman’ny Finoana. Manainga ny ray aman-dreny rehetra handefa ny zanany amin’izany. Sokajiana araka ny taona ny ankizy amin’izany. Hivory ny mpanabe aorian’izao Lamesa izao.

 

4.

JMJ MADA FAHA – 6 TANY TOLIARY 03 – 06 SEPTAMBRA 2009 :

Vita soa aman-tsara tany Toliary ny Fihaonamben’ny Tanora Katolika Malagasy faha- 6 (JMJ MADA). I Mgr Fulgence RABEONY, Arsevekan’ny Toliary, no nanokatra ny fotoana ny alakamisy 03 septambra, amin’ny maha-Diosezy mpampianatrano. Nosokafany tamin’ny fomba ofisialy (Sorona Masina) tao amin’ny Kolejy Sacré-Coeur tao Mahavatsy izany. Ny alahady 06 septambra kosa no nofaranana tamin’ny Lamesa lehibe notarihan’I Mgr Fulgence RABEMAHAFALY, arsevekan’I Fianarantsoa sady Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’I Madagasikara (FEM). Nafana ny Litorizia tamin’ny alalan’ny hira sy fihetsika. Nifototra tamin’ny FAMPIHAVANANA araka ny soatoavina Malagasy, araka ny Soratra Masina sy eo amin’ny tanora no lohavevitra nodinihana tamin’izao. Niiisa 15 000 ny mpandray anjara. Any Antsiranana indray ny JMJ MADA faha – 7 manaraka amin’ny 2012.

 

5.

NIOVA ENDRIKA NY SITE-NY FKMP :

Isan’ny ainga vao teto amin’ny FKMP ny fanavaozana ny Site. Marobe isika no nitsidika sy nijery izany tamin’iny taona pastoraly lasa iny. Ankehitriny dia endrika vaovao indray no isehoiany amintsika mianakavy. Koa mahazotoa mitsidika ao.

 



¦ soritr’asa manaraka

 

1.

ZAIKAM-PARITRA :

Efa tapitra tamin’ny alahady 26 Jolay 2009 ny fisoratana anarana ho any amin’ny Zaikam-paritra izay hatao any Lisieux ny 03 sy 04 Oktobra 2009. Misaotra antsika rehetra nivonona handeha.  Androany no tsy maintsy manefa ny ambony amin’ny fandraisana anjara isika  (10 euros efa naloantsika). Koa manatona ny mpiandraikitra isika.

 



FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

20/09/2009 : Antoko mpihira FEON’ANJOMARA

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

19/09/2009 : Vaomieran’ny FITANTANANA