“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 27 Septambra  2009

N° 30

ALAHADY FAHA 26 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

Mila fanapahan-kevitra hentitra ny misafidy ny tena fiainana.

 

Hentitra i Jesoa ao amin’ny Evanjely raha miresaka ny safidy momba ny tena fiainana. Hoy Izy : « Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao (...) Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao… ».

 

Amin’ny fijery tsy miangatra dia tsy tsara ny tapa-tanana sy ny tapa-tongotra. Ny kilemaina aza efa tsy fidiny. Toa manosika antsika hilaza fa « inhumain » i Jesoa. Na farafaharatsiny  , hilaza fa tsy miraharaha  loatra ny fiainana eto ambonin’ny tany Izy. Manampy trotraka izany toa tsy firaharahiana ny fiainana ambonin’ny tany izany ny  tenin’i Md Jakoba Apostoly  izay toa mamely mafy ny mpanankarena : « Anareo mpanankarena indray zao : Mitomania sy migogogogoa fa indro ny lozanareo efa midona.(...) Efa nanangona hatezerana ho anareo any amin’ny andro farany ianareo. » Teny feno fangorohoroana ho an’ny mpanakarena ary manome vahana ny tsy fananana.

 

Tsy izany anefa no tian’i Jesoa ho lazaina. Tsy « inhumain » na tsy miraharaha ny fiainana eto ambonin’ny tany Izy raha miteny ireo teny ireo. Ho Azy rehefa nisafidy ny tena fiainana dia tsy maintsy mahay miendaka amin’izay rehetra mety manelingelina izay safidy izay. Ny harena  sy ny bika  dia natao hanampy hanamafy izay safidy momba ny tena fiainana izay fa tsy natao hanakana azy. Tsy tanjona ny harena fa fitaovana hanatratrarana ny tena fiainana.

 

Azontsika hiainana eo amin’ny fiainantsika an-davanandro io fampianaran’i Jesoa io. Samy nisafidy ny fiainantsika isika tsirairay. Ao ny nisafidy ny hanorina tokatrano ao amin’Andriamanitra, ao ny nisafidy ny ho tokan-tena  ho an’Andriamanitra. Ao ny nisafidy ny ho mpitsabo, ao ny nisafidy ho mpampianatra, ao ny nisafidy ny ho mpitandro filaminana, ao ny nisafidy ho « livreur » … Hajao izay safidintsika izay ary hifalio. Mety hampijaly izay safidy izay indraindray satria tsy maintsy misy foana ny lalàna mba hanarahana izay safidy izay mba tsy hivaona. Saingy « izay tiana hijaliana ; tsy higafiana fa hifaliana ».

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 27 Septembre 2009 – MESSE DU 26ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Boky Fanisana

Fanis. 11, 25 – 29

Tamin’izany andro izany, nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy ; nangalany ny Fanahy izay tao amin’I Môizy, ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy, naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy, nefa tsy notohiziny izany. Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray, nijanona teo an-toby ; ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy ; anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay, ary naminany teo an-toby izy. Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe : « Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada ». Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe : « Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy ». Fa hoy ny navalin’I Môizy azy : “Noho ny amiko va no ialonanareo ? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo, ary hataon’ny Tompo ao amin’ny Fanahiny”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasin’I Md Jakôba Apôstôly

Jak. 5, 1 – 6

Anareo mpanan-karena kosa indray izao : Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona. Ny harenanareo efa lo ; ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao, ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina ; ary ny harafesiny dia hiampanga anareo, sy handevona ny nofonareo, toy ny afo. Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo. Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo ; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany. Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana ; namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo. Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy”.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’I Md. Marka

Mk. 9, 37 – 49

Tamin’izany andro izany, namaly ny tenin’I Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe : “ Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay ; nefa tsy namantsika ka noraranay”. F hoy I Jesoa : “Aza raranareo izy ; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’I Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza  hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarina amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao ; tapaho izy, afa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.

Izany àry no Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho anao ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

Iza avy no tena an'i Tompo ?

Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika

 

Ny tiana ifampizarana momba ny hafatry ny Eglizy amin'izao Alahady faha-26 B izao dia ny hoe : izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no vahoaka sy iraka voafidiny. Ny Fanahy izay mitarika amin'ny fanarahana ny didin'Andriamanitra mba tsy hahatongavan'ny loza isan-karazany toy ny miandry ireo mpanankarena tsy marina mpametsifetsy.

 

Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.Tsy sanatria mamporisika amin'ny fiandaniana na fizarazarana atsy sy aroa izany. Fa kosa niantsoan'i Kristy ireo mpanao soa sy tsara toetra rehetra tsy manaratsy azy.Toa miantso sy mitarika any amin'ny fiombonana aza.Raha naharay ny Fanahin'ny Tompo tokoa isika, nahazo izany tamin'ny batemy, ka miaina sy manaiky ho tarihiny dia lasa iray ihany ao amin'ny Tompo. Fianakaviana. Izany rahateo indray no tohin'ny hafatry ny Fiangonana amin'ny Alahady faha-27 B.

 

Ho vonona mandrakariva hiaina miaraka amin'ny Fanahin'ny Tompo ary isika.

 

Rakoto Dominique ANDRIAMANAMIRIJA

Vaomieran’ny FITANTANANA



¯ FIFAMPIZARANA AN-KIRA

 

 

« izay mamboly e »

 

Hira mitarika antsika hametraka tanteraka ny fitokisantsika aminAndriamanitra. Izy ilay mahefa ny zava-drehetra. Ny ezaka ataontsika, raha ny herin’ny tenantsika irery dia tsy mahavita inoninona, toy ny mpamboly, raha tsy misy Azy Tompo mampitsimoka ny voa.

Fa raha mametraka ny fiainantsika, ny asa ataontsika eo-pelatanan’Izy Tompo mpiahy isika dia, na eo am-pandriana aza dia hotolorany sakafo.

 

Fara RASOLOJAONA

Sampana Antoko Mpihira « FEON’ANJOMARA »



 

¦ soritr’asa manaraka

 

 

1.

ZAIKAM-PARITRA

 

Ny Asabotsy 03 sy ny Alahady 04 oktobra 2009 no hatao any Lisieux ny Zaikam-paritra Avaratra. Fotoana iray lehibe izany eo amin’ny Fiainam-piangonana. Mila fiomanana ara-panahy sy ara-batana ary ara-pitaovana izany. Eo amin’ny 178 eo ho no isan’ny mpizaika handray anjara avy amin’ireto tanàna ireto : Evry, Lille, Rouen, Reims ary Paris. Isika eto Paris dia mahatratra 139, ka misy Pretra roa sy Relijiozy vavy telo.

 

« FA EFA NAPETRATSIKA AO AMIN’ANDRIAMANITRA VELONA NY FANANTENANTSIKA »

Io no lohahevitra hodinihana sy hifampizarana any. Mizara indroa miantohana izany.

 

1)      Fifampizarana voalohany :

·        Ny Kristianina navotan’I Kristy

·        Ny Kristianina tonga Olombaovao

·        Ny sehatra iainana sy ikatrohana amin’izany.

 

Miainga amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fandalinana. Ny asan’ny Sakramenta omen’ny Fiangonana.

 

2)      Fifampizarana faharoa :

·        Fijerena ny asa pastoraly misy any amin’ny Fiangonana tsirairay avy

·        Fihadian-kevitra ny vinavin’asa atolotry ny Birao Nasionaly

·        Amin’ny fiharetan-tory (veillée) ny asabotsy alina dia omena toerana manokana ny ankizy. Korana faranana amin’ny vavaka. Koa samy miomana ny tanàna.

 

Hisy Sorona Masina ny andro fanombohana sy famaranana.

 

FKMP MIATRIKA IZANY ZAIKAM-PARITRA IZANY

·        Fiomanana farany : Alahady 27 septambra 2009 aorian’ny Lamesa. Fanomezana ny torimarika rehetra. Aoka ho avy daholo ireo mpizaika.

·        Fotoana : Eo amin’ny statue Général Leclerc, Porte d’Orléans, toy ny mahazatra, amin’ny 5 ora sy fahefany maraina (05 h 15). Fiantsoana anarana sy fampidirana ny entana. Mandamina izany ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana

·        Fiaingana Asabotsy 03 oktobra : amin’ny 6 ora tsy diso (06 h 00) no miainga ny cars.

·        Fizarana ny Efitrano: indraiketan’ny Vaomieran’ny Fifandraisana sy ny Fitantanana

·        Fitaovana :

o        Samy mitondra fihirana sy Baiboly izay manana ary taratasy sy fanoratana.

o        Samy mitondra fitaovana fidiovana

o        Ny drap sy ny firakotra dia misy

 

 

 

2.

FIHAONAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY – DIOSEZY PARIS

 

Vita soa aman-tsara, omaly Asabotsy 26 septambra 2009, ny Fihaonan'ireo mpikambana rehetra ao min'ny Filan-kevitra Pastoraly manerana ny Diosezin'i Paris notarihan'i Mgr André VINGT-TROIS, Arsevekan'i Paris, notronin'ireo Eveka mpanampy azy. Nanana solontena tamin'izany isika FKMP notarihan'ny P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier.

 

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

1.

MANENTANA LITORIZIA :

11/10/2009 :                Vaomieran’ny FINOANA sy ireo hatao CONFIRMATIONS

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

10/10/2009 : Vaomieran’ny  FIFANDRAISANA