“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 25 Oktôbra  2009

N° 34

ALAHADY FAHA 30 MANDAVANTAONA – TAONA B

 

Bartimée aveugle, modèle pour nous qui

« croyons voir »

Ce n’est pas la cécité de Bartimée qui mérite d’être pris comme modèle si je dis que cet aveugle mendiant est un modèle pour nous et pour les disciples de Jésus qui « croyons voir ». C’est le peuple des exclus. Au temps de Jésus, on refoulait hors des villes les infirmes, abandonnés à leur condition de misère et dépendant, sans doute, de la générosité de quelques-uns. Il part de sa nuit pour aller vers la lumière. Suivons l’histoire.

 

De sa croyance en Jésus christ par la rumeur d’un groupe qui passe devant lui, sur le chemin. On lui dit que c’est Jésus. Et du fond de sa nuit, un espoir fou s’est levé d’où Il crie : « aie pitié ».  C’est un cri qui marque un acte de foi. Il reconnaît bien Jésus, non pas avec des yeux physiques, mais avec les yeux de la foi. Contrairement aux disciples et à la foule, il sait que Jésus n'est pas un simple leader politique qui va renverser le pouvoir sur place mais c’est un Messie fils de Dieu. Touché par le cri qui est l’expression de la foi de cet aveugle, Jésus s’arrête. Il fait appeler Bartimée. Il met ses disciples « au service » du pauvre qu’est le mendiant aveugle. Il fait transmettre son appel par ses disciples. Et voilà enfin, après avoir demandé ce que Bartimée veut que Jésus face pour lui,  Jésus le guérit.

 

Nous sommes exactement dans la situation de Bartimée. Nous n’avons pas encore vu le visage de Jésus. C’est par la foi que nous croyons au témoignage de ceux qui L’ont connu, et nous attendons ce passage de Jésus qui vient : nous le verrons un jour. Comme Bartimée, nous avons besoin des hommes pour nous aider à nous approcher de Jésus. Car souvent nous perdons notre repère et nous ne trouvons plus le sens de la vie. L’Eglise est là pour nous aider. Mais nous pouvons nous demander si, aujourd’hui, la Bonne Nouvelle de Jésus peut être une lumière pour nous. Jésus lumière n’est-il pas remplacé par des grandes idéologies, des plaisirs terrestres.

 

Nous devons crier aussi pour que les grandes idéologies du monde ne nous empêchent pas de recevoir le message de l’Eglise. Demandons aussi à Jésus d’ouvrir nos yeux, pour que nous voyions ceux qui ont besoin de nous et qui appellent « au secours ».

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 25 Octobre 2009 – MESSE DU 30ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT



Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.



& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 7 – 9

Izao no lazain’ny Tompo : Mihobia an-kafaliana ny amin’i Jakôba, manaova firavoravoana, noho ny amin’ilay Lohan’ny firenena ; ataovy re ny feonareo, mihirà hira fiderana, ka lazao hoe : Ry Tompo, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin’i Israely ! Indro Aho mamerina azy, avy any amin’ny tany avaratra ; manangona azy, avy any amin’ny faran’ny tany. Ho eo amin’izy ireo ny jamba sy ny mandringa, ny manana anaka sy ny efa mihetsi-jaza ; hanao dia be izy ireo no hiverina aty. Hiverina amin-dranomaso izy ; ary eo amin’ny fifonany no hitondrako azy miverina ; eny amin’ny rano velona, no hitarihako azy, amin’ny lalana marin-tampona tsy hahatafintohina azy ; satria efa ray ho an’i Israely Aho, ary lahimatoako i Efraîma.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio

Heb. 5, 1 – 6

Ry Kristianina havana, rehefa mety ho Mpisorombe ka alaina amin’ny olona, dia tendrena ho solon’ny olona amin’ny fifampiraharahàny amin’Andriamanitra, mba hanolotra fanatitra sy sorona noho ny ota ; sady mahay miantra ny tsy mahalala sy ny mania izy, satria na ny tenany aza mba voan’ny fahalemena ihany koa, ka noho izany fahalameny izany, tsy maintsy manao sorona ho an’ny tenany, toy ny ataony ho an’ny vahoaka ihany koa izy. Ary tsy misy mahazo maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany, afa-tsy izay antsoin’Andriamanitra tahaka an-dry Aarôna ihany. Dia toy izany koa i Kristy, fa tsy Izy no nanandra-Tena ho Mpisorombe, fa Ilay nanao taminy hoe : « Zanako Ianao, Izaho no niterako Anao androany » ;  sy nilaza amin’ny teny hafa koa hoe : « Ianao no mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka »

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !



& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 10, 46 – 52

Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia tonga tao Jerikô, ary mipetraka nangataka teo amoron-dalana kosa i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa eo i Jesoa Nazareanina izany, dia rafitra niantso izy nanao hoe : «  Ry Jesoa zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko ». Ary maro no nadrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe : « Ry zanak’I Davida ô, mamindrà fo amiko ». Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe : « Matokia ! mitsangàna, fa antsoiny ianao ». Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy I Jesoa taminy : « Inona no tianao hataoko aminao ? » Dia hoy ilay jamba : « Rabôny ô, aoka mba hahiratra aho ». Ary hoy I Jesoa : « Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao ». Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !



( fifampizarana

 

 

MPANELANELANA SY MPANASITRANA MAHAY MIANTRA I JESOA KRISTY

 

Mpampianatra i Kristy. Araka izany dia nametraka fampianarana betsaka Izy ho an'ny zanak'olombelona.

 

Ny hevi-baventin'ny Vakiteny androany dia mampiseho izany fampianarana izany « Mpanelanelana sy Mpanasitrana, Mahay miantra i Jesoa Kristy ».

Zone de Texte: Ny maty tena maty tsy mamela mamy
No fasana mihidy,
D’ireo fahavalo, fototry ny jaly
Fakan’ny mangidy.

Raha ho faty ihany, ny maty tena tsara
Izay namela soa
Zary hotsaroana, velomin’ny tantara
Matory dia hifoha.

(SANEHO Jean Gilbert)



Dia hoy ny hiran’ny FEON’ANJOMARA hoe:

Ny hatsaram-panahy,
tsy mba resin-drangolahy
Fa na levon’aza re ny nofo,
ny soa vita dia porofo

Fa ny mahavita adidy
an-tany mampahory
Tsarovana ho tadidy
tsy mba maty fa matory

Aza ketraketra-poana
amin’ny asa izay hatao
Fa mandalo ny fotoana
ka ndrao ho neninao

ANTOKO MPIHIRA FEON’ANJOMARA
 


§      MPANELANELANA : izany hoe mampihavana mba hanjaka ny fifankatiavana. Mampiseho amintsika fa i Kristy dia « FITIAVANA ».

§      MPANASITRANA : midika fa manampy ny marary, ny reraka, ny malemy, ny marofy.

§      MAHAY MIANTRA : mahay mamindrafo, tsy manenjika ny hafa.

 

Koa araka izany, ny « Fitiavana, ny Fanampiana, ny Indrafo » dia fampianarana asain'i Kristy arahina araka ny hafany hoe izay manaraka azy dia hahita ny fahazavana mandrakizay  toy ilay jamba ao amin'ny Evanjely androany.

 

Noho izany ny Fampiadiana, ny haratsiam-panahy, ny fihetsika tsy mendrika, ny kobakambava tsy arahin'asa, ny manao ny mifanohitra rehetra amin'ny Fampianaran'i Kristy dia tsy hahita ny Fahazavana sy ny Fiainana Mandrakizay na oviana na oviana.

 

Tsy tonga ho an'ny olomarina i Kristy ary namoy ny ainy hamonjena antsika. Koa miezaka hanaradia ary hanao izay azo atao rehetra isika olombelona hahay hiantra sy hanao ny marina.

 

Mangataka famindram-po avy amin'i Jesoa Kristy mba hitombo hatrany ny Finoana sy ny Fahamarinana ary tsy ho very ny Fampianarana izay napetrany.

 

Tsy ho vita amolotra fotsiny fa atao ara-pitiavana ary mivaingana ny asa soa atao. Azo alaina ohatra amin'izany ny adidy miandry ato amin'ny F.K.M.P. izay mitaky ireo fampianaran'i Kristy ireo.

 

Edmine RASOLONIRINA

Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA


¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Vita soa aman-tsara androany alahady 25 oktôbra 2009 ny fivoriana ara-potoana nataon’ny Filan-kevitra Pastôraly izay nanomboka tamin’ny 2 ora tolak’andro. Izany dia natao teto amin’ny Chapelle Saint Paul.

§        Nodinihana tamin’izany ny lamin’asa pastôraly 2009 – 2010 eto amin’ny FKMP.

§        Ny teti-bola 2009 – 2010.

§        Ny fivoriana hataon’ny Filan-kevitra iombonana ao amin’ny ANCMF any Nice ny Asabotsy 31 Oktobra sy Alahady 1 Novambra 2009 izao.

 

2.

FILAN-KEVITRA IOMBONANA ANCMF :

Ny Asabotsy 31 oktobra sy alahady 1 novambra 2009 izao no hatao any Nice ny Filan-kevitra Iombonana ato amin’ny ANCMF. Izany dia hatao any Nice. Telo isam-piangonana no solontena amin’izany : Ny pretra, ny Prezidà na ny solontenany, ny Prezidàn’ny tanora na ny solontenany. Nantsoina manokana koa moa ireo rehetra izay afaka ho any fa tsy manan-jo handatsa-bato.

 

3.

FIANARANA KATESIZY :

Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany.

 

Ny alahady voalohany volana kosa dia natokana ho an’ny Vaomieran’ny Kolontsaina.

 

4.

VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA

Toy ny isaky ny alahady voalohany volana dia amin’ny alahady 1 Novambra izao no manomboka ny fianaran’ny zanatsika ny kolon-tsaina malagasy. Mampianatra azy ireo ny teny malagasy. Koa mamporisika antsika ray aman-dreny amin’izany.

 

5.

NY FOTOANANTSIKA MANARAKA :

Dia ny alahady 1 Novambra 2009 any amin’ny Chapelle Saint Paul toy ny mahazatra isan’alahady. Ny Sorona Masina dia manomboka amin’ny 4 ora tolak’andro.

 



FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

01/11/2009 : Vaomieran’ny TANORA

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

31/10/2009 : Vaomieran’ny KOLON-TSAINA