“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 15 Novambra  2009

N° 37

ALAHADY FAHA 33 MANDAVANTAONA – taona b

 

Iza no mamelona ny Fiangonana ?

 

Mamaramparana ny taona litorijikan’ny Fiangonana isika izao. Amin’ny alahady tapa-bolana isika dia efa miditra amin’ny Fiaviana hanomanana ny Noely, fankalazana ny misterin’ny fahatongavan’Andriamanitra ho nofo. Koa eto ampamaranana izany taonan’ny Fiangonana izany no anentanako anareo indray mba handray anjara amin’ny fanatontosana ny « Denier de l’Eglise » toy ny fanao isan-taona.

 

Tsapako fa adidy mavesatra ho anareo izany fanefana ny « Denier de l’Eglise » izany. Iaraha-mahalala ny fotoana iainantsika amin’izao fotoana izao, fotoana anjakan’ny krizy ara-bola.  Betsaka amintsika no sahirana vokatr’io krizy io.

Kanefa fantatrareo tsara fa isika FKMP dia tsy mandray fanampiana avy amin’ny Diosezy na avy amin’ny organisma avy atsy sy avy aroa.  Isika aza no manome ho an’ny Diosezy.  Koa mba hahafahan’ny Fiangonantsika FKMP mivelona dia isika no iangaviana an-tanan-droa  mba handray anjara. Maro ny asa misy eto amin’ny FKMP ilana vola : recollections, vatsy Mopera, Zaikabe, hofan’ny Chapelle, fampianarana Katesizy sns .. Ny fanampianao no hahatontosana izany.

 

Fantatsika koa fa ny Katolika  manontolo manerana ny tany dia samy iangaviana (isan-taona) mba hanatotosa io « Denier de l’Eglise » io, koa amin’izany isika dia miombona ezaka miaraka amin’ny Eglizy Katolika eran-tany.

Eto ampamaranana dia mbola averiko indray ny fisaorana anareo izay nanatontosa ny Denier de l’Eglise tamin’ny taona lasa. Hitako ny vola aman-karena nafoinareo ary dia tena nahafoy tokoa. Nitondra am-bavaka anareo aho ho fisaorana ny zavatra vitanareo. Ialako tsiny raha tsy voavaliko an-taratasy ireny zava-bitanareo ireny.

 

Dia mbola manantena ny fanohananareo hatrany ny Fiangonantsika.

 

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


DIMANCHE 15 Novembre 2009 – MESSE DU 33ème DIMANCHE

Année B – Couleur liturgique : VERT

 

 

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Daniela Mpaminany

Dan. 2, 1 – 3

Amin’izany andro izany, hitsangana I Misely ilay filoha ambony, izay miandany amin’ny zanaky ny firenenao, ka amin’izany no ho androm-pahoriana tsy mbola nisy toa azy, hatrizay nisian’ny firenena, ka hatramin’izany andro izany. Amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra hita voasoratra eo amin’ny boky. Ary maro amin’ireo mandry ao amin’ny  vovo-tany no hifoha : ny sasany ho amin’ny fiainana mandrakizay ; fa ny sasany ho amin’ny latsa amam-panariana mandrakizay. Izay ho efa hendry hamirapiratra hoatra ny famirapiratry ny lanitra ; ary izay ho efa nitarika ny maro ho amin’ny fahamarinana, ho tahaka ny kintana mandrakizay.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy ho an’ny Kristianina Hebrio

Heb. 10, 11 – 14. 18

Ry Kristianina havana, ny mpisorona rehetra dia mijoro isan’andro hanao ny raharahany, sy manolotra matetika ireny sorona tsy nahafa-pahotana akory ireny, fa i Kristy kosa indray mandeha monja no nanolotra sorona noho ny ota, dia mipetraka mandrakizay eo ankavanan’Andriamanitra ; ka hatramin’izao Izy dia miandry ny hanaovana ny fahavalony ho fitoeran-tongony rahatrizay. Fanatitra iray monja dia ampy handavorariany mandrakizay izay nohamasininy ; ka rehefa voavela ny fahotana, dia tsy ilaina intsony ny sorona noho ny ota.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 13, 24 – 32

Tamin’izany andro izany I Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe : « Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

( fifampizarana

 

 

NANDRAY FANABEAZANA KATOLIKA IZAHAY

 

Efa taona vitsivitsy tokoa izay no niarahan'ny Maintimolalin'ny Masindahy Misely Amparibe manentana Lamesa « fanokafana ny taom-pianarana » amin'ny FKMP. Ny Lamesa dia efa alohalohakelin'izay no nataonay teny amin'ny zezoita « 42 rue de Grenelle 7e arrondissement ao Parisy ».

 

Rehefa nahita izany nefa ny mpitondra ny Fiangonana FKMP tamin'izany fotoana dia tsy nisalasala namporisika anay hanao izany Lamesa isan'taona izany aty amin'ny Fiangonana « Bd Brune ». Noraisinay an-tanan-droa tokoa izany fanasana izany satria inona tokoa moa no hanaovana Lamesa mitokana raha vonona ny Fiangonan-dehibe handray anay ?

 

Ny tiana homarihina kely dia izao. Fahenonay matetika mantsy ny hoe: « ary toa tonga indray mandeha isan-taona fa tsy miangona isan'alahady ireto izy ? ». Tsotra ny antony sy ny valin'izany :

 

1)       Tsy hoe raha mpianatr'i Mopera dia Katolika, mety ny fanabeazana no tian'ny Ray aman-dreny na dia tsy katolika aza izy ireo ka misy vitsivitsy aminay ireo izany, any amin'ny Fiangonana tsy katolika no mivavaka matetika.

 

2)       Ny teny tarigetranay dia ny hoe : MIORIMPAKA MBA HANASOA OLONA (s'enraciner pour le bien d'autrui), misy vitsivitsy aminay koa izany manasoa any amin'ny tanana misy azy any, any amin'ny Fiangonana misy azy any.

 

Ka dia aza omena tsiny loatra re raha tsy tonga isan'alahady daholo izahay rehetra, fa dia faly tokoa izahay miara-mizara izao fahatsiarovana ny fanabeazana itambaranay izao (ny finoana katolika) aminareo, na dia indray isan-taona ary.

 

 


José RABETRANO

Maintimolalin’ny Saint Michel
http://www.semigany.com/

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Vita androany alahady 15 novambra ny fivoriana manokana ny Filan-kevitra Pastôraly  izay nandinihana ny teti-bola 2009 – 2010.

 

2.

HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP :

Manomboka androany alahady 15 novambra ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasin’Andriamanitra na « Denier de l’Eglise ». Na dia eo aza ny fahasahiranana maro samihafa dia feno hafaliana isika mianakavy isan’Alahady miara-mideran’Andriamanitra eto. Maro koa isika no nanefa izany Hasin’Andriamanitra izany tamin’ny herin-taona ho fanohanana ny asa pastôraly eto amin’ny Fiangonantsika. Tsapatsika tokoa fa mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay ... » 2 Kôr.5, 14. Tsy didy anefa izany fa mari-pitiavana, fifanohanana satria izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy manome izay foiny, fa izay tia mahafoy e. « Satria fantatrareo ihany ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika, fa na mpanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo amin’ny fahantrany » 2 Kôr. 8, 9. Mampahatsiahy antsika ny fiomanana amin’ny Noely izany.  Ho Voninahitry ny Tompo irery ihany !

Koa manainga antsika rehetra isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora na lehibe araka izay vitantsika, araka izay fointsika satria izay no mahafaly an’Andriamanitra, ary mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ;

« Samia manao  araka izay efa nokasainy tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7.

 

3.

FIANARANA KATESIZY :

Ny fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny hitondra sy handefa ny zanany.

 

4.

FIVAHIANIANA MASINA HATAON’NY TANORA

Amin’ny Asabotsy 28 sy Alahady 29 novambra 2009 dia hanao Fivahianiana Masina any DOURDAN (91) ny tanorantsika miaraka amin’ny tanora ao amin’ny Paroasy Saint Pierre de Montrouge.

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

22/11/2009 : BIRAO (Fetin’i KRISTY MPANJAKA)

2.

MANADIO FIANGONANA :

21/11/2009 : VAOMIERAN’NY FINOANA