|
“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 29 Novambra 2009 |
N° 39 |
|
ALAHADY VOALOHANY AMIN’NY FIAVIANA – taona D |
|
|
Ny farandro :
Fanantenana ho antsika kristianINa Manomboka
taona litorijika vaovao isika amin’izao alahady voalohan’ny Fiaviana taona D
izao. Ny mikasika ny farandro no aroson’ny
Md Lioka ho dinihintsika
androany. Tsara ho tsahivina fa ity Evanjely androany ity dia mitovy
tamin’ny Evanjely nosoratan’i Md Marka izay novakiana tamintsika tamin’ny Alahady faha - 33 taona
mandavantaona B. (tamin’ny alahady tapa-bolana.). Resa-be
tsy mety lany ity resaka farandro ity. Ary indraindray dia somary
mandrebireby sy mampatahotra antsika mihintsy. Efa hatramin’ny ela no nisaina io farandro io ny olona.
Ary amin’izao fotoana izao dia
mbola tsy mitsahatra miresaka an’io.
Misy ny milaza fa amin’ny 2012 indray
no farandro. Mandrebireby
antsika satria tsy fantatsika marina izay fotoana hiaviany. Eny fa na dia ny
fahafatesana izay farandron’ny tsirairay eto an-tany aza dia tsy fantatra.
Rehefa tsy fantatra mialoha moa ny zavatra iray dia manahirana, indrindra ho
antsika miaina amin’izao vanim-potoanan’ny
fandrosoana izao. Ny hany fantatsika araka ny voalazan’ny Evanjely dia
ny famantarana rehefa ho akaiky
izy « Hisy famantarana eny
amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary ety an-tany de ho ory sy
ho very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny
onjany ; ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany
izay loza hanjo an’izao tontolo izao fa hihozongozona ny herin’ny lanitra ». Famantarana
mbola manampy trotraka ny fatahorantsika indray koa. Famantarana milaza loza.
Ho an’ny vahoaka Israely dia fanafintohinana ho azy ny mandre ireo loza ireo
satria ny nampanantenain’ny mpaminany azy teo aloha dia Mesia handresy ny
fahavalony , handresy ny fanjakana romanina izay manandevo azy. Very fanahy
mbola velona izy ireo. Tsy nisy intsony
ny fanantenana. Mpandainga ny mpaminany ho azy ireo. Tao
anatin’ny fahakiviana nahazo azy ireo indrindra anefa ny mpaminany toa an’i
Daniela (Daniela 7, 13 – 14) no nankahery azy ireo. Nambarany fa tsy maintsy
mbola ho avy ilay Andriamanitra mahery. Tsy ny ratsy no tompon’ny teny farany
fa Andriamanitra « ny Zanak’Olona ». Toy izany koa i Lioka,
nankahery ny kristianina tamin’ny fanenjehana nahazo azy ireo. Nampafantatra
fa Andriamanitra irery no tompon’ny ho avy, Izy no hamarana ny tantaran’izao
tontolo izao. Mitondra
fampanantenana ho antsika noho izany ny farandro na ny apôkalipsa. Tsy
zavatra atahorana fa mankahery antsika hitraka raha sendran’ny mafy. Ny hany
ataontsika dia ny fiomanana. Anisan’ny fiomanana amin’izany farandro izany
(farandron’ny tsirairay sy ny farandron’izao tontolo izao) ny Fiaviana (Avent). Koa mirary Fiaviana
tsara ho anareo aho. Enga anie izao taonan’ny Fiaviana izao mba hampitombo
hatrany ny finoantsiaka an’i Jesoa Kristy ilay efa tonga ary mbola ho avy. |
|
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier |
|
DIMANCHE
29 Novembre 2009 – MESSE DU 1er DIMANCHE DE L’AVENT
Année C – Couleur liturgique : VIOLET
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’i Jeremia Mpaminany |
Jer. 33,
14 – 16 |
||
|
Indro avy ny andro, teny marin’ny Tompo, hanatanterahako ny teny soa
nolazaiko momba ny taranak’Israely aman-taranak’i Jodà. Amin’izany andro
izany, sy aman’izany fotoana izany, hampitsimoka solofo marina ho an’i Davida
Aho, izay hitsara araka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny tany. Amin’izany
andro izany i Jodà, hovonjena ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina
hoe : Tompo-fahamarinantsika. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apostôly ho an’ny kristianina tany
Tesalônika |
1 Tes. 3,
12 – 4, 2 |
||
|
Ry Kristianina havana, ny Tompo anie hampitombo sy hampandroso anareo
amin’ny fifankatiavanareo, sy amin’ny fitiavanareo ny olona rehetra, tahaka
anay aminareo izao ! Hankahery ny fonareo anie Izy, ary hiaro azy tsy
hanan-tsiny amin’ny fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra Raintsika, ho
amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tompontsika mbamin’ny olomasiny rehetra.
Amen. Farany, ry Kristianina havana, izao no angatahinay sy ihantanay
aminareo ao amin’i Jesoa Tompo : efa nianaranareo taminay izay
fitondran-tena mety hankasitrahin’Andriamanitra sady efa arahinareo koa, ka
mandrosoa mandrakariva amin’ny fandehanana araka izany. Efa fantatrareo rahateo ny didy nomenay anareo avy amin’i Jesoa
Kristy. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka |
Lk. 21,
25 – 28. 34 – 36 |
||
|
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe :
« Hisy famantarana eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary ety an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena noho ny fikotrokotroky
ny ranomasina sy ny onjany ; ho ankona foana ny olona noho ny
fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjo an’izao tontolo izao, fa
hihozongozona ny herin’ny lanitra. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona avy
any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe. Raha vao
miantomboka izany zavatra izany, dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo. Tandremo àry fandrao vesaran’ny
fihinanan-doatra sy ny fimamoana ary ny fiahiana izao fiainana izao ny
fonareo, ka tratrany tonga tampoka aminareo anie izany andro izany e !
Fa ho sahala amin’ny fandrika hahavoa ny olona rehetra mitoetra eto
ambonin’ny tany izany. Koa miambena àry, ary mivavaha mandrakariva mba ho
mendrika ho afaka amin’izany loza rehetra tsy maintsy tonga izany ianareo, ka
hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’Olona ». |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana |
|
|||
|
Osons l’humilité dans notre vie. En ce début de l’année liturgique, période de l’Avent, j’aimerais partager avec vous ce défi. « L’Avent » est une période de préparation pour accueillir le Messie, notre Sauveur. « Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio izay melomeloka rehetra » - Accueillons le Seigneur dans la droiture et dans le bon chemin. Surtout ne nous trompons pas de sens car beaucoup de choses et d’évènements peuvent nous détourner du vrai chemin de Dieu, celui de la vérité, de l’amour et de la sainteté. Souvent nous sommes tentés par la route de la servitude : plaisirs, débauche, violence, jalousie, pouvoir, argent, honneur, soucis de la vie…changeons nos comportements et osons l’humilité : - Comme Jean Baptiste qui s’adressa aux foules qui venaient se faire baptiser et qui se demandaient s’il est le Messie : « Moi, je vous baptise avec de l’eau ; mais Il vient, Celui qui est plus puissant que moi. Je ne suis pas digne de défaire la courroie de ses sandales. Lui vous baptisera dans l’Esprit Saint et dans le feu » (Lc 3, 16). - Comme Marie, qui a reçu avec simplicité et avec joie la Parole de Dieu, et a accepté de porter en son sein, le Verbe qui s’est fait chair, Jésus le Fils de Dieu. « Je suis la servante du Seigneur. Que tout se passe pour moi comme tu l’as dit ! » (Lc 1, 38). - Comme Joseph, un charpentier et fiancé de Marie, qui a adopté le dessein de Dieu sans hésitation ni arrière-pensée. « Joseph monta en Galilée pour se faire recenser avec Marie son épouse, qui était enceinte » (Lc 2, 4-5). - Enfin comme l’Enfant Jésus, un Dieu né dans la mangeoire pour partager notre condition humaine, non pas dans l’opulence ni dans l’ostentation, mais dans la pauvreté et dans le dépouillement (Lc 2, 6). L’effacement de Jean Baptiste, la simplicité et la disponibilité de Marie, l’engagement sans faille de Joseph face au dessein de Dieu, le dépouillement de Dieu doivent être sources d’inspiration pour nous chrétiens pour niveler nos fausses grandeurs, pour nous libérer des fausses sécurités, pour nous ouvrir à l’Esprit de vérité, de justice et de charité. Alors osons l’humilité et cherchons une vraie forme d’existence conforme à notre foi de baptisés en Jésus-Christ. |
|
|||
|
Pierre RAZAFIMAHATRATRA |
|
|||
|
Vaomieran’ny Finoana |
|
|||
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||||
|
1. |
ASSEMBLEE PAROISSIALE – ANKOHONAM-PIANGONANA : Araka ny torimarika pastôraly eto amin’ny Diosezy dia
manatanteraka izany Assemblée Paroissiale izany isika androany Alahady 29
novambra 2009 : « Ankohonam-Piangonana ». Sady fibeazana io no
fampisehoana ny maha-mpianakavy antsika atambatry ny Eokaristia ary samy
irahana eo anivon’ny mpiara-belona : « EUCHARISTIE ET MISSION ». |
||||
|
2. |
HASIN’ANDRIMANITRA NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY
FKMP : Efa nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra
teo ny fanentanana antsika mianakavy amin’ny adidy fanao isan-taona eo
amin’ny Hasin’Andriamanitra na Denier de l’Eglise. Tsapatsika tokoa fa mila
enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka
notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika
izahay…. » 2 Kôr. 5, 14. Fitia tsy mba hetra, mari-pitiavana, fifanohanana
satria izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary e, hoy isika Malagasy. Samy
manome izay foiny, fa izay tia mahafoy e. Koa manainga antsika rehetra
isam-batan’olona, isan-tokantrano, na tanora na lehibe araka izay vitantsika,
araka izay fointsika satria izay no mahafaly an’Andriamanitra, ary
mari-pitiavana asehonao ny Fiangonana ; « Samia
manao araka izay efa nokasainy tao
am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa
mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra” 2 Kôr. 9, 7 |
||||
|
3. |
FIANARANA
KATESIZY SY FANOMANANA NY NOELY : Ny
fianarana katesizy dia efa nanomboka ka isaky ny alahady amin’ny 3 ora
tolak’andro ao amin’ny Chapelle Saint Paul. Koa mamporisika ny ray aman-dreny
hitondra sy handefa ny zanany. Ny Alahady voalohan’ny volana dia an’ny
Vaomieran’ny Kolontsaina, fampitana ny Kolontsaina sy ny teny malagasy. Efa manomboka koa ny
fanomanan’ny zanatsika ny Noely : hira sy tsianjery. |
||||
|
4. |
FRAT 2010 : Le FRAT est un pèlerinage voulu
et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes
chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres
pèlerins, dont des personnes handicapées et malades. En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15 – 17
ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur,
apprends nous à prier » du 21 soir
au 26 avril matin ! La FKMP va constituer un groupe
pour y participer.
|
||||
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA LITORIZIA : 06/12/2009 : SAMPANA ANTOKO MPIHIRA « Feon’Anjomara » |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 05/12/2009 : VAOMIERAN’NY FITANTANANA |
|