|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika
Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune –
75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 27 Desambra 2009 |
N° 44 |
|
ALAHADY Fetin’NY FIANAKAVIANA MASINA – taona D |
|
|
Fianakaviana MasiNA : Modely ho antsika. Ny fianankavian’i
Maria sy Josefa ary i Jesoa no Fianakaviana Masina ankalazaintsika androany
alahady manaraka ny Noely.
Fianakaviana tsotra niaina tao anatin’ny fifankatiavana . Tsotra satria Fianakaviana nivelona tamin’ny
asa-tanana : rafitra. Ny hatsembohan’ny tavany no nihinanany. Nanaraka ireo fomba fanaon’ny olona teo
amin’ny fiarahamonina. Toy ny fiankarana isan-taona any Jerosalema mba
hankalaza ny Paka. Tsy nirehareha tamin’ny fananany an’i Jesoa
zanak’Andriamanitra fa niezaka nitovy tamin’ny fianakaviana rehetra. Ny fifankatiavana no
ranomanitra nandravaka io fianakaviana io. Nifanampy sy niara-niasa i Maria
sy Josefa teo amin’ny fanabeazana an’i Jesoa. Endrey ‘zany fitotototoan’izy ireo nitady an’i Jesoa rehefa tsy
hitany ny menaky ny ainy. Tsy nanao
teny mahery, tsy namelaka tehamaina indray rehefa nahita an’i Jesoa fa
nanontany tsotra ny antony tsy niarahany tamin’izy ireo. « nahoana
ianao anaka no dia manao toy izao…. » , hoy i Maria nanontany moramora
Azy. Taratry ny
Fianakavian’Andriamanitra tokana olona telo io Fianakaviana Masina io. Niara-niasa sy nifankatia Andriamanitra
Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina. Tsy
nisy ny fifandirana teo amin’izy Andriamanitra. Tokana ny tanjona nokendreny
dia ny hahatontosa ny fanavotana ny olombelona. Samy nanao ny asany ireo
Andriamanitra telo ireo. Tsy nisy nisalovana na nifamingana. Mahavita zavatra
tokoa ny fianakaviana rehefa mifankatia. Io fifankatiavana io
àry no iraka ampanaovin’Andriamanitra ny fianakaviana tsirairay. Io fifankatiavana io no tian’Andriamanitra
hanjaka ao amin’ny fianakaviantsika. Ny fiainan’ny fianakaviana ny
fifankatiavana dia ahafantarany fa miara-monina aminy Andriamanitra. Ary io
fifankatiavana io ko no irariako hanenika
tokatranonareo tsirairay avy. |
|
|
P.
Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier |
|
DIMANCHE
27 décembre 2009 – MESSE DE LA SAINTE FAMILLE
Année C – Couleur liturgique : BLANC
|
|
Jean-Marie
VIANNEY 1786 – 1859 |
TAONAN’NY
PRETRA ANNEE
SACERDOTALE Du 19 Juin
2009 au 19 Juin 2010 Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i
Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera
Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa
mpiaro ny Pretra rehetra tsy
ankanavaka izy. |
|
& VAKITENY MASINA Voalohany |
|
||
|
Boky voalohan’i Samoela |
1 Sam. 1,
20 – 22 . 24 - 28 |
||
|
Tamin’izany
andro izany i Elkanà dia nahalala an’i Anà vadiny, ary ny Tompo nahatsiaro
azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia
tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’ny
Tompo, hoy izy. Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra,
hanatitra amin’ny Tompo ny sorona
fanao isan-taona, sy anefa ny voadiny. Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy
izy tamin’ny lahy : « Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko
hiseho eo anatrehan’ny Tompo sy hitoetra eo mandrakizay…Nony notazany ny zaza
dia efa nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’omby lahy telo, sy
lafarîna iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao
an-Tranon’ny Tompo tao Silô izy. Mbola tanora kely ny zaza. Dia novonoin’izy
ireo ny vantotr’omby lahy iray, ary nentiny nakao amin’i Helî ny zaza. Ka hoy
i Anà : « Aza mahafady, Tompoko, raha velona koa ny ainao, Tompoko,
dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo. Ny
hahazoako ity zaza ity no nangatahiko, ary neken’ny Tompo ny fangatahana
nataoko taminy. Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’ny Tompo ; nafoy ho
an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra ». Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy
ireo. |
|||
|
Izany àry ny Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY
MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly |
1 Jo. 3, 1 – 2 . 21
- 24 |
||
|
Ry hava-malala, endrey ity haben’ny
fitiavan’Andriamanitra antsika, amin’ny iantsoana antsika hoe
zanak’Andriamanitra, sady tena zanany tokoa isika ! Fa izao tontolo izao no
tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy mahalala Azy. Ry hava-malala,
zanak’Andriamanitra isika ankehitriny, nefa mbola tsy naseho izay ho tena
toetrantsika ; fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa
hanahaka Azy isika, satria hahita Azy araka ny tena toetrany. Ry hava-malala,
raha tsy manameloka antsika ny fontsika, dia mahazo manatona an’Andriamanitra
amin-toky isika. Ary na inona na inona hangatahantsika dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika. Ary izao no
didiny : ny hinoantsika an’I Jesoa Kristy Zanany, sy hifankatiavantsika araka
ny didy nomeny antsika. Izay mitandrina ny didiny dia mitoetra ao Aminy, ary
Izy kosa ao aminy ; ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia
ny Fanahy Izay omeny antsika. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka |
Lk. 2, 41 - 52 |
||
|
Isan-taona ny
ray aman-drenin’I Jesoa dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka ;
ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy, dia niakatra araka ny fanao
amin’izany fety izany izy ireo. Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy,
dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely, nefa tsy fantatry ny ray
aman-dreniny izany. Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy,
ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany, dia niverina
tany Jerosalema indray hitady Azy. Ary nony afaka hateloana, dia hitany tao anatin’ny
Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ka nihaino sady nanontany
azy, ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy : “Anaka,
nahoana Ianao no nanao toy izany taminay ? Inty irainao sy izaho malahelo
mitady Anao”. Fa hoy Izy taminy : “Nahoana no nitady Ahy ianareo ? Tsy
fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko aho ?” Faingy tsy azon’izy
ireo ny teny nolazainy taminy. Dia naira-nidina taminy nankany Nazareta Izy,
ary dia nanaiky azy ; fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany
tao am-pony. Ary I Jesoa nitombo fahendrena sy tena, ary nandroso nahateotia
tamin’Andriamanitra sy ny olona. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|
|
( fifampizarana
|
|
|||
|
Ry
Andriamanitra mora fo o ! nomenao hotafianay ny ohatra tsara indrindra mamiratra tao amin’ny FIANAKAVIANA
MASINA. Aoka
hifandefitra sy hifamela heloka ,
raha misy manana alahelo amin’ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan’ny Tompo heloka
anareo no hamelanareo heloka ihany koa. Aoka
hitoetra ny fitiavana izay fehin’ny hantsaram-panahy rehetra. Hanjaka
ao am-ponareo anie ny fiadanan’ I Kristy, izay niantsoana anareo hiforona ho
tena iray. Hitoetra
be dia be ao aminareo anie ny tenin’ I Kristy, ka hifampianatra sy
hifananatra amin’ny fahendrena rehetra. Ary na
inona na inona ataonareo, na amin’ny
teny na amin’ny asa dia ataovy amin’ny Anaran’I Jesoa Tompo ny zavatra
rehetra. Fahamaotinana
amam-pandeferana ,famindram-po
amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, izany rehetra izany dia
mifehy ny fiainana FIANAKAVIANA MASINA. Koa
mirary soa ho tahin ‘Andriamanitra. |
|
|||
|
Edmine RASOLONIRINA
|
|
|||
|
Vaomieran’ny FIARAHA-MONINA |
|
|||
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
||||
|
1. |
FISAORANA ANTSIKA MIANAKAVY : Misaotra an’Andriamanitra
isika fa tanteraka soa aman-tsara ny fankalazana ny Noely. Hatramin’ny
fampisehoana nataon’ireo zanatsika, sy ireo tanora ary Antsam-panahy
nataon’ny Antoko Mpihira « Feon’Anjomara ».
Niredona sy nafana ny Sorona Masina Misasak’alina niarahana tamin’ny Paroasy
Saint Dominique. Niara-nikorana isika tamin’ny sakafom-mitam-pihavanana. Izany
no fianakaviana masina : mifanara-tsaina, mifanome tanana, mahay
mifampizara, satria tsy misara-mianakavy isika eto amin’ny FKMP. Misaotra
an’ireo mpikarakara sy mpandamina ny fotoana isan-tokony. Tomombana ny zava-drehetra. Ny
tsara hatsaraina hatrany, ny tsy nety harenina. An’Andriamanitra irery ihany
ny voninahitra mandrakizay ! Ny Biraom-piangonana |
||||
|
2. |
HASIN’ANDRIMANITRA
NA DENIER DE L’EGISE 2009 ETO AMIN’NY FKMP : Efa
nanomboka tamin’ny alahady 15 novambra teo ny fanentanana antsika mianakavy
amin’ny adidy fanao isan-taona eo amin’ny Hasina’Andriamanitra na Denier de
l’Eglise. Mifarana ny alahady 27 desambra ny fanantenana.Tsapatsika tokoa fa
mila enti-manana ny asa fandraharahana rehetra eto amin’ny Fiangonana, ka
notanterahanareo ny tenin’ny Soratra Masina hoe : « fa teren’ny fitiavan’i Kristy antsika
izahay…. » 2 Kôr. 5, 14. « Samia
manao araka izay izay efa nokasainy
tao am-pony avy, tsy amin’alahelo na an-tery, fa mpanome an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra » 2 Kôr. 9, 7 Androany
alahady fetin’ny Fianakaviana Masina no farany. Koa sao diso anjara amin’izany
anjara masina izany ny fianakavianao. Koa manentana antsika mianakavy eo
amin’ny famerenana ilay valopy misy ny anjaram-pitiavantsika ho fanohanana ny
asa pastôraly fanirahana ny FKMP dia isika mianakavy izany. |
||||
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORIZIA : 03/01/2010: BIRAOM-PIANGONANA |
|
|
2. |
MANADIO FIANGONANA : 02/01/2010 : Ireo vao nandray ny Sakramentan’ny Konfirmasio |
|