“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 31 Janoary 2010

N° 48

ALAHADY FAHEFATRA MANDAVANTAONA – taona D

 

« Mba ho iray ihany izy ireo » Jn. 17

 

Io teny miendrika vavaka nataon’i Jesoa tamin’ny Rainy ho an’ny mpianany io no nalain’i Kardinaly Gaetan Razafindratandra ho teny filamatra teo amin’ny fiainany. Tsy nataony am-bava fotsiny fa niainany tokoa. Hita mazava izany teo amin’ny firotsahany tao amin’ny FFKM ; nilofo, nanao ny ainy tsy ho zavatra izy mba hampiray ny Fiangonana sy ny firenena. Hita mazava izany teo amin’ny diosezy izay notarihiny : notandroviny fatratra ny fiombonanan’ny kristiana sy ny pretrany. Ratsy tokoa manko ny mizarazara ka naleony nikaroka izay hiraisana.

Mifototra ao amin’ny Fifankatiavana io firaisana io. Tahaka ny fifankatiavana misy ao amin’Andriamanitra Ray sy I Jesoa. Jesoa ao amin’ny Ray ary ny Ray ao amin’i Jesoa. Tahakan’ny fifankatiavana misy eo amin’ny mpivady ; tsy roa intsony izy ireo rehefa atambatry ny sakarametan’ny mariazy fa lasa tena iray.

I Md Paoly ao amin’ny vakiteny faha-2 atolotry ny fiangonana ho antsika androany dia manindraindra io fitiavana fototry ny fiombonana io. Manatitratitra sy mampianatra Izy  mba hiaina io fifankatiavana io  ny kristianina tany Korinto. Zava-dehibe ho azy ny fitiavana , « ambony amin’ny zavatra rehetra ». Raha tsy eo ny fitiavana dia tsinotsinona izay rehetra atao.

Sarotra ho antsika olombelona anefa ny miaina io fitiavana antoky ny maha-iray antsika io. Indrindra raha araka ny famaritana ny atao hoe fitiavana izay ambaran’ny Md Paoly eto. Hoy izy : «  Ny fitiavana dia mahari-po no malemy fanahy, ny fitiavana dia tsy mialona, tsy mieboebo, tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po … mandefitra ny zavatra rehetra ». Vitsy na tsy misy mihintsy olombelona hahatanteraka io famaritana ny fitiavana io.

Tsy mahagaga noho izany raha nivavaka i Jesoa ho antsika sy ny mpianany mba hananatsika io fitiavana io ka hahafahantsika miombona ho iray tahaka Azy sy ny Rainy. Ny vavaka tokoa manko no manampy antsika hanana  fitiavana marina fa raha ny herin’ny tenantsika olombelona dia tsy ho tratra izany.

Nivavaka i Kardinaly Gaëtan Razafindratandra sady niaiana ny teny filamatra « mba ho iray ihany izy ireo ».  Nahavita be izy teo amin’ny fampiombonana ny kristiana sy ny firenana. Tsy ho havelantsika ho raraka an-tany ny ezaka izay efa natombony. Izao fiarahantsika mivavaka izao, ny vavaka notontosain’ny FFKM tamin’ny alahady lasa teo dia efa fanohizana ny nataony.

 

Père Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 31 JANVIER 2010 – MESSE DU 4ème DIMANCHE DU TEMPS ORDINAIRE

Année C – Couleur liturgique : VERT

Jean-Marie VIANNEY

1786 – 1859

 

TAONAN’NY PRETRA

 ANNEE SACERDOTALE

Du 19 Juin 2009 au 19 Juin 2010

 

Ho fahatsiarovana ny faha-150 taona ny nahafatesan’i Mompera Jean-Marie VIANNEY, Curé tao Ars. Izay Olomasina mpiaro ny Mompera Curé rehetra. Mandritra izao fankalazana ny taonan’ny Pretra izao dia lasa mpiaro ny Pretra rehetra tsy  ankanavaka izy.

 

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 1, 4 – 6. 17 – 19

Tamin’ny andron’i Jôsiasa, dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe : « Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohòka ianao, ary raha tsy mbola naloaky ny kibon-dreninao ianao dia efa nohamariniko ; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena. Misikîna ianao, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao. Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’I Jodà, sy ny mpifehy eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany. Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho ! »

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny Kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 12, 31 – 13, 13

Ry Kristianina havana, ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra atoroko anareo izao. Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany fotsiny aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka hatolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy ; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo ; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolom-po ; tsy mifaly noho tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho fahamarinany ; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa, dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato. Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny fahaminaniantsika ; ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza ; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza. Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava ; fa rahatrizay, hifanatrika ; ankehitriny, tapany no fanatatro ; fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra : ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana ; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

Izany àry ny Tenin’ny  Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 21 – 30

Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakiteny nataon’I Jesoa tao amin’ny bokin’I Izaia Mpaminany, dia nifantoka Tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray I Jesoa nanao hoe : « Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany ». Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo : « Tsy ny zanak’I Jôsefa va ity ? » Ary hoy kosa I Jesoa taminy : « Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe : ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa ». Dia notohiziny hoe : « Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’I Israely tamin’ny andron’I Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’I Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny Sidôna ihany ; ary be koa no boka tao amin’I Israely tamin’ny andron’I Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa I Naamàna Sirianina ihany ». Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny synagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana ; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 

 

( fifampizarana

 

 

Raha ny tena izy dia raisintsika an-kafaliana izay mpitondra vaovao mahafaly ho antsika. Indrindra moa raha vaovao mifanentana amin'izay andrasantsika, mifanaraka amin'ny faniriantsika sy ny fiainantsika.

Fa raha vaovao manakorontana ny fiainantsika, manetsika antsika sy mampibosesika ny fahazarantsika dia tsy zakatsika mihitsy, ka ilay mpitondra hafatra no iantefan'ny hatezerantsika, ka lazaintsika ho mpisandoka aza.

Dia izany no nihatra tamin'i Jesoa Kristy: ilay tenin'Izaia mpaminany : « ato amiko ny Fanahin'ny Tompo fa nanosotra ahy hitory Vaovao Mahafaly amin'ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo,…» dia teny nankamamian'izy ireo. Fa satria lasa teny velona : « androany no efa tanteraka eo aminareo izany Soratra izany » ; teny velona hita maso, indrindra fa entin'olona mpiara-monina aminy sy mpiara-mivavaka aminy, dia tsy zakany : « Fa ianao no iza ? » « tsy ny zanak'i Josefa va ity ? ».

« ny mpaminany tsy masina an-taniny » : efa hatramin'izany io teny io no manana ny fahamarinany koa mandrak'ankehitriny.

I Kristy no sady ilay Vaovao Mahafaly no mpitondra Vaovao Mahafaly. Ary io « Teny tonga nofo » io dia teny velona ary tsy mba ho faty : « namaky teo afovoan'izy ireo Izy ka lasa » , satria fitiavan'Andriamanitra mitoetra mandrakizay, tanteraka tamin'i Kristy , ka mamelona antsika mandrak'androany

 

 

Fara RASOLOJAONA

 

 

Mpandrindra ny Vaomieran’ny Finoana

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

NY FOTOANATSIKA MANARAKA :

Ny Lamesa eto amin’ny Fiangonantsika dia isan’Alahady manomboka amin’ny 4 ora tolak’andro. Ny toerana dia ao amin’ny Chapelle Saint Paul, 171 Boulevard Brune Paris 14ème. Métro : Porte d’Orléans.

2.

NANDRAY NY SAKRAMENTAN’NY BATEMY :

Fifaliana ho antsika mianakavy ny mandray an-dRAKOTOARINORO Miora Ny Rina ho isan’ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny nandraisany ny Sakramentan’ny Batemy omaly Asabotsy 30 janoary. Amin’ny alahady 07 febroary isika no miarahaba azy.

3.

VAOMIERAN’NY KOLONTSAINA :  ALAHADY 7 FEBROARY 2010

Ny  alahady voalohan’ny volana dia ny Vaomieran’ny Kolontsaina no mandray ireo ankizy amin’ny fampianarana ny teny sy  ny kolontsaina malagasy. Manomboka amin’ny 3 ora tolak’andro, ao amin’ny Chapelle Saint Paul.

4.

MATSOM-PANAHIN’NY FKMP : 20 sy 21 FEBROARY 2010

Ny Matsom-panahy (Recollection) hataontsika iomanana amin’ny Paka dia hatao ny asabotsy 20 sy ny alahady 21 febroary 2010 izao. Ny toerana dia ny amin’ny « MISSIONS FRANCISCAINES » any Orsay (91). Ny lohahevitra hodinihana sy hifampizarana amin’izany dia ny : « FIJALIAN’i JESOA KRISTY » (Zoma Masina). Misokatra ny fisoratana anarana mandritra ny alahady telo, koa amporisihana isika hanao izany haingana. Homena antsika eto ihany ny fanampim-panazavana.

5.

MATSOM-PANAHIN’NY VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA

Ny Vaomieran’ny Fifandraiasana koa dia hanao ny Matsom-panahiny ny asabotsy 6 sy ny alahady 7 febroary 2010 izao. Izany dia hatao eny amin’ny « Séminaire des Missions » eny Chevilly Larue (94). Ny lohahevitra dia ny « Fifandraisana amin’i Kristy »

6.

FRAT 2010 :

Le FRAT est un pèlerinage voulu et animé par les évêques d’Ile de France. Temps de rassemblement des jeunes chrétiens des huit diocèses, il est aussi un lieu de rencontre des autres pèlerins, dont des personnes handicapées et malades.

En 2010, le Frat donne rendez-vous aux lycéens (15-17ans) à Lourdes, sur le thème « Seigneur, apprends nous à prier » du 21 soir au 26 avril matin !

La FKMP va constituer un groupe pour y participer.

Araka izany dia misy tanora avy eto amin’ny FKMP handray anjara amin’izao fihaonamben’ny tanora katolika eto amin’ny Ile de France any Lourdes izao. Miomana ara-panahy izy ireo, nefa koa efa miomana amin’ny enti-manana, toy ny sara-pilasiana sy fitaterana. Koa mangataka fanohanana am-bavaka amintsika sy tohana ara-bola amin’ireo mofo hamidy aorian’ny Lamesa. Hisy koa ny fihetsehana “TOHANAN’AINA” homanin’izy ireo ny asabotsy 6 febroary 2010 izao. Manomboka amin’ny 2 ora tolak’andro ary mifarana amin’ny 7 ora hariva. Ao amin’ny Crypte ny Fiangonana Sainte Anne, 188, rue Tolbiac Paris 13ème. Tongava maro, taomy ny havana aman-tsakaiza. Ny fandraisana anjara : 8 €

 

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORIZIA :

07/02/2010 : VAOMIERAN’NY FIFANDRAISANA (Alahady faha-5 , Taona D)

2.

MANADIO FIANGONANA :

06/02/2010 : Ireo nandray ny Sakramentan’ny Mariazy taona 2009