“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 01 Marsa 2009

N° 07

ALAHADY VOALOHANY KAREMY – TAONA B

 

NY KAREMY : 40 ANDRO FIOMANANA AMIN’NY PAKA

Nanomboka tamin’ny alarobian’ny lavenona dia miditra tanteraka ao amin’ny Vanim-potoanan’ny Karemy ny Fiangonana. Fotoana lehibe sarobidy loatra ho antsika Kristianina Katolika indrindra indrindra izao vanim-potoana izao satria fotoana atolotry ny Fiangonana antsika hidirana lalindalina kokoa amin’ny vavaka sy fibebahana ary fiovana mba hahafahantsika mankalaza an-kafaliana feno an’i Jesoa Kristy mpandresy ny fahafatesana izay fototra iompanan’ny finoantsika.

Araka ny voalazan’ny Evanjely androany dia i Jesoa mihitsy no manome ohatra velona antsika amin’ny fanomanana ny Paka. Vao avy natao Batemy izy dia nentin’ny Fanahy nankany an’efitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Vavaka sy fifadian-kanina no nandreseny ny fakam-panahy ary nanomanany ilay iraka lehibe nahatongavany teto an-tany dia ny fanolorany ny tenany ho fanavotana antsika rehetra. Araka izany ohatra velona omen’i Kristy izany dia manasa antsika ny Fiangonana hibanjina Azy misimisy kokoa amin’izao Karemy izao. Toe-po tsotra maniry fiovàna  eo anatrehan’Andriamanitra no sitrany indrindra. Raha fintinina dia fomba telo no ahafahantsika miaina izay. Voalohany ny fivavahana : « Raha mivavaka ianao dia midira ao amin’ny efi-tranonao… ». Loharano anovozantsika hery ny vavaka, manome hery ahafahantsika manatona an’Andriamanitra sy manatona ny hafa. Hery anoherantsika ny ratsy ka manosika antsika hibebaka. Araka ny hevitry ny lavenona dia tsinontsinona isika fa vovoka ihany raha tsy ao ny ain’Andriamanitra. Ao amin’ny vavaka no anovozantsika io aina velona io. Faharoa ny fifadian-kanina izay heverin’ny maro ho lany andro nefa kosa zava-dehibe. Tsy voatery ho fifadiana ara-tsakafo ihany izany fa mety ho ezaka fifadiana ireo zavatra rehetra izay maka toerana be loatra eo amin’ny fiainantsika ka zary manandevo antsika ary tsy hahafahantsika manome toerana an’Andriamanitra sy ny hafa. Fahatelo, ny fifampizarana: tsy ny hakely na halehiben’ny zavatra omentsika no zava-dehibe fa ny toe-po enti-mizara izany na zavatra izany na fotoana na talenta. Manome fahasambarana sy hafaliana ny hafa izany ary mitondra hafaliana ho antsika koa.

Manainga antsika tsirairay àry mba samy hanokana fotoana misimisy ho an’Andriamanitra amin’izao Karemy izao, samy handinika izay fifadiana tandrify azy avy ary mba hifampizara amin’ireo izay mila izany mba hahafahantsika iray Fiangonana miara-mientana ho amin’ny fibebahana marina dia hiara-handresy amin’i Kristy amin’ny Paka.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 01 MARS 2009 – MESSE DU 1er DIMANCHE DE CAREME
Année B – Couleur liturgique : Violet

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’ i Jenezy

Jen. 9, 8 – 15

Taorian’ny safo-drano Andriamanitra niteny tamin’i Nôe sy ny zanany niaraka taminy nanao hoe : “Izaho dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin’ny taranaka mandimby anareo,  amin’ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin’ny tany rehetra, hatramin’izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin’ny biby rehetra ambonin’ny tany. Manao fanekem-pihavanana aminareo aho : tsy hisy levon’ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony ». Dia hoy Andriamanitra : « Ity no famantarana ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin’ny taranaka ho avy rehetra : Nataoko eo amin’ny rahona ny avako, ka ho tonga famantarana ny fanekena amiko, sy amin’ny tany. Ka rehefa hampiangona  rahona ambonin’ny tany Aho, dia hiseho eo amin’ny rahona ny avana. Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin’ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Piera Apôstôly

1 Pi. 3, 18 – 22

Ry Kristianina havana, na i Kristy aza niaritra fahafatesana indray mandeha noho ny otantsika, dia Izy marina ho an’ny tsy marina, mba hanolorany antsika amin’Andriamanitra, ka novonoina tamin’ny nofo Izy, fa novelomina tamin’ny fanahy. Ary tamin’io fanahy io ihany koa no nandehanany nitory teny tamin’ireo fanahy tao an-tranomaizina, dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, nandritra ny nandrefatana ny sambo fiara, izay nampidirina olona vitsivitsy, dia valo monja, sy namonjena azy ireo tamin’ny safo-drano. Ary amin’ny rano ihany koa ankehitriny, dia amin’ny Batemy izay tenan’io tandindona io, sy tsy fanadiovana ny loton’ny vatana, fa fangatahana fo tsara amin’Andriamanitra, no amonjena anareo noho ny nitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, dia ilay nandevona ny fahafatesana mba hahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ary efa lasa any an-danitra, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, eken’ny Anjely sy ny fahefana ary ny hery

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 1, 12 – 15

Tamin’izany andro izany, I Jesoa dia nentin’ny Fanahy ho any an’efitra, ka nitoetra tany efapolo andro dia nalain’I Satana fanahy sy naira-nitoetra tamin’ny bibidia, ary ny Anjely nanompo Azy. Ary rahefa natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : « Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely ».

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !


 

( fifampizarana

 

 

« Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny Fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely ».

Fanairana antsika ary fiantsoana antsika  hanongilan-tsofina, hiomana, ho vonona io ataon' i Kristy , satria tonga ny  Fotoana, tonga ny Andron'ny Famonjena.

Efa hatrany amboalohany no niantso antsika Andriamanitra, ny fahasoavany nampandray anjara antsika tamin'ny famindrampony lehibe. Nasehony izany tamin'ny fifanekena nataony tamin'i Noe, ny fampanantenany fa tsy hisy intsony ny safo-drano . Ankehitriny dia ny Batemy amin'ny rano no amonjena antsika noho ny nitsanganan'i Kristy ho velona.

Fahasoavan-dehibe izany no omen'Andriamanitra antsika ankehitriny satria hiomana hankalaza ny Mistery lehibe indrindra isika dia ny Fitsanganana amin'ny maty.

Tsy ireo miomana amin'ny Batemy  ihany no iantefan'io antso io fa isika vahoaka kristianina tsy ankanavaka .

Tokony tsy ho afaka an-tsaintsika mandrakariva io Mistery lehiben'ny Fitsanganan'i Kristy sy io fitsanganantsika amin'ny maty io , izay mahatonga antsika ho mpandova ny fiainana mandrakizay, ka tokony ho Paka lalandava ny fiainantsika.

Nefa amin'ny maha-olombelona antsika dia mivaha ny ezaka ataontsika  rahefa tonga ny fiainana andavanandro, indraindray misoko mangina ny fahazaran-drasty, ka izany no ilàna ny karemy. Fotoana hanadiovantsika indray ny fanahintsika, ka ahafahantsika hiverina, ho vonona indray hiditra ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

 

Fara RASOLOJAONA

Vaomieran’ny Finoana

 

 

 

 


NY SOA NO IFANDOVANA

 

Ohabolana Malagasy : « FIHAVANANA »

 

Aza atao fihavanam-bato ka raha tapaka tsy azo atohy, fa ataovy fihavanan-dandy , ka ny madilana tentenina , ny mainto atohy . Ataovy toy ny fihavana-molotra sy tànana , raha maharary ny molotra manafosafo ny tànana, raha may ny tànana mitsoka ny vava . Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana.

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

 

¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

KOLONTSAINA :

Toy ny alahady voalohan’ny volana dia ny Vaomieran’ny Kolontsaina no nandray ireo ankizy androany. Arak’izany dia ny fampiatna ny kolontsaina malagasy no imasoana, sy ny fampianarana ny teny malagasy.

2.

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Nisy fivorian’ny Filan_kevitra Pastoraly androany. Zavatra maro loha no nodinihana tamin’izany dia ny ezaka pastoraly manaraka ; ny teti-bolam-piangonana 2008 ary ny vinavina teti-bola 2009 ; teo koa ny koranan-pianakaviana izay hatao ny asabotsy 18 avrily 2009 eny Vet Saint-Denis (77) : PACHA

3.

VAOMIERAN’NY FINOANA :

Nisy koa ny fivorian’ny Vaomieran’ny Finoana omaly  asabotsy 28 febroary izao, nanomboka tamin’ny 4 ora tolak’andro. Taorian’ny famafana Fiangonana, dia handinika ireo asa miandry araka ny fandaharana pastôraly efa tinapaka. Ireo mpampianatra Katesizy rehetra sy ny mpanomana Sakramentana dia mpikambana rakitra, miampy ireo solontena isam-baomiera.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mainakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Holazaina tsy ho ela ny fizaran-draharaha.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 08/03/2009 : Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 07/03/2009 : Vaomieran’ny Fitantanana

 

 

ü vaovao samihafa

 

1.

FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA

Araka ny vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho Olontsambatra tsy ho ela I Frera Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy fantatra. Izy dia teraka tao Antananarivo ny 3 novambra 1856 ary maty tao Fianarantsoa ny 19 may 1919. Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles chrétiennes; Olomangan’ny Fiangonana sy ny Firenena izy. Nanam-pinoana mahate hidera sy manam-pahaizana no mpanabe nahafatra-po.

 

Rakitra farany

22/02/2009

211, 99 €