
|
“Mifankatiava ianareo
tahaka ny nitiavako anareo” ( Joany 15, 12 ) Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France 171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS Site : http://www.fkmp.org/ |
|
|
H ISAN-TOKANTRANO |
|
|
Alahady 08 Marsa
2009 |
N° 08 |
|
ALAHADY FAHAROA
KAREMY – TAONA B |
|
|
Inona no Sorona tena
ankasitrahan’Andriamanitra ? |
|
Mitantara
ny finoan’i Abrahama sy
fahatokisany tanteraka
an’Andriamanitra ny vakiteny voalohany. Tamin’ny alalan’io finoana lalina
feno fahatokisana io no nampisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny mahaizy
Azy : Fiainana fa tsy Fahafatesana no sitrany. Tandindon’i Kristy Isaaka izay voalaza eto.
I Kristy izay sorona mitondra Fiainana ho antsika. Araka ny voalazan’i Md
Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa dia Andriamanitra mihitsy no manolotra an’i
Kristy Zanany Lahitokana ho antsika olombelona mba hananantsika ny Fiainana
mandrakizay. Izy no ilay Zanak’Ondry atolotra ho Sorona ao amin’ny Eokaristia
manolo-tena ho antsika mba hahavelona antsika mandrakizay. Izany
maha-Andriamanitra Azy izany indrindra no asehony antsika mibaribary ao amin’ny Vaovao Mahafaly androany izay
mitantara ny niovan’i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitr’i Thabor teo
anatrehan’ny mpianany telo lahy izay vavolombelon’ny zava-nitranga hitany
rehetra. Maneho ampahibemaso amintsika Izy fa Zanak’Andriamanitra ary dia Izy
Andriamanitra Ray mihitsy no miteny mivantana amintsika hoe : « Ity
no zanako malalako indrindra, henoy Izy. » Eto dia miantefa amintsika
tsirairay avy izany antso izany amin’ny maha-kristianina antsika. Toa an’i
Piera, Zaka ary i Joany, dia entin’i Kristy miaraka Aminy isika hivavaka,
hihaino ny Tenin’Andriamanitra, hibanjina
Azy, sady ho vavolombelona hitory ny maha-zanak’Andriamanitra Azy . Ny
tara-pahazavan’i Kristy niova tarehy no haninteraka ny fiainantsika ka
hiovantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Maro tokoa mantsy ireo zary lasa
saron-tava manimba ny endrik’Andriamanitra ao amintsika toy ny avonavona, ny fitiavan-tena, ny
fialonana, ny fitiavam-bola be loatra, ny fitiavana voninahitra sns…. Ny
Vavaka no fanoitra lehibe hiadiantsika amin’ireny ary ny fo mibebaka sy
matoky an’Andrimanitra tanteraka no sorona ankasitrahan’Andriamanitra
indrindra. Koa avelao àry ny vavaka hanova sy haninteraka ny fiainantsika dia
hamiratra ao amintsika ilay endrik’Andriamanitra. Raha
miaina ny Vaovao Mahafaly isika dia manova tarehy antsika koa Andriamanitra
Ray. Manome fo tsara sy feno indrafo izy, fo mandefitra, mahay mamela heloka
sy mihavana ary mahay mizara. Amin’izay ny sorona izay atolontsika dia ho
sorona mendrika tokoa dia tsy inona izany fa ny fiainantsika manontolo, ny
asantsika, ny tebitebintsika, ny hafaliantsika ... Ary ireo rehetra ireo dia
akambatsika amin’ny mofo sy ny divay izay ho |
|
P. Edmond RAKOTONDRAMANANA |
|
Aumônier |
DIMANCHE 08 MARS 2009 – MESSE DU 2ème DIMANCHE DE CAREME
|
|
& VAKITENY
MASINA Voalohany |
|
||
|
Bokin’ i Jenezy |
Jen. 22. |
||
|
Tamin’izany andro izany , Andrimanatitra nizaha toetra an’i Abrama ka
nanao tamin’ny hoe « Ry Abrama ô ! » Ary hoy izy :
« Inty ao ».. Dia hoy Andriamanitra : « Ento ny zanakao ,
ilay lahy tokanao , ilay tianao , dia i Isaaka , ka mankanesa any amin’ny
tany Môrià , ary rehefa mby any , atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny
anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroka anao » . Nony tonga teo amin’ny
fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrama teo ny ôtely. Dia
naninjitra ny tanany i Abrama ka nandray
ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny
Anjelin’ny Tompo nanao hoe : “ Ry Abrama ! ry Abrama ô ! Dia hoy ny
navaliny : « Inty aho ». Dia hoy ny Anjely :
« Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,ary aza maninomaninona azy
akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà
ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy ». Ary nanopy maso
i Abrama ka nahita ondrilahy anankiray teo ivohony, voasoringotry ny
kirihitr’ala tamin’ny tandrony ; dia lasa i Abrama naka ilay ondrilahy,
ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany, Ary ny Anjelin’ny
Tompo niantso an’i Abrama fanindroany
tany an-danitra, ka nanao hoe : « Efa nianiana tamin’ny
Tenako Aho, hoy ny Tompo, noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny
zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao
tahaka ny kitana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny
taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony . Amin’ny taranakao no
hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko
ianao » |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& VAKITENY MASINA faharoa |
|
||
|
Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho
an’ny kristianina tany Rôma |
Rôm. 8. 31b - 34 |
||
|
Ry kristianina |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Hisaorana
anie Andriamanitra ! |
|
|
& evanjely
masina |
|
||
|
Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka |
Mk. 9. 1 – 9 |
||
|
Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy Jakôba ary i Joany
ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova
tarehy teo anatrehany Izy, Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny
oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany
ety an-tany ? Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady
niresaka tamin’ i Jesoa. Dia niteny i
Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe : « Raby ô, mahafinaritra
ny mitoetra aty, aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i
Môizy, ary ny iray ho an’i Elia ». Fa tsy fantany izay nolazainy, satria
raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy ;
ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe : « Ity no
Zanako malalako indrindra, henoy
Izy ». Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy
nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany
an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra
vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao
am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay
hevitr’izany hoe : mitsanga-ko velona. |
|||
|
Izany àry ny
Tenin’ny Tompo |
- |
Dera anie ho Anao, ry Kristy ! |
|

|
¤ VAOVAOM-PIANGONANA |
|
|
|
1. |
MATSOM-PANAHIN’NY FIANGONANA Ho fanomanana ny Paka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy
izao dia hanao Matsom-Panahy ny Fiangonantsika ny Alahady 29 Marsa 2009
tontolo andro. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 9 ora maraina
ary faranana amin’ny Lamesa eny an-toerana. Izany moa dia hatao etsy amin’ny Sœurs Aveugles de
Saint-Paul 88, Avenue Denfert-Rochereau Paris 14ème. Métro Ligne
N° 6 na RER B : Denfert-Rochereau. |
|
|
2. |
FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY
: Vita soa aman-tsara ny
fivorian’ny Filan-kevitra Pastoraly. Zavatra maro loha no nodinihana
tamin’izany dia ny ezaka pastoraly manaraka ; ny teti-bolam-piangonana 2008
ary ny vinavina teti-bola 2009 ; teo koa ny koranan-pianakaviana izay hatao
ny asabotsy 18 avrily 2009 eny Vert
Saint-Denis (77) : PACHA |
|
|
3. |
VAOMIERAN’NY
FINOANA : Hanao Matsom-panahy ny
Vaomieran’ny Finoana ny Asabotsy 14
Marsa 2009 izao, tontolo andro, manomboka amin’ny 9 ora maraina ary mifarana
amin’ny 5 ora hariva. Samy mivimbina ny sakafony ifampizarana. Manantena ny
fahatongavan’ny mpikambana rehetra. Ho lazaina amintsika ny toerana. Ny
lohahevitra dia mifantoka amin’I Masina Maria. Hisy koa ny fifanazavana eo
amin’ny vaovaon’ny Fiangonana Eran-tany. |
|
|
¦ soritr’asa manaraka |
|
|
|
1. |
KORANAM-PIANAKAVIANA
: Isika mianakavy no iaraka
hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana
« PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka
amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka
amin’izany. |
|
|
FIZARANA ANDRAIKITRA |
|
|
|
1. |
MANENTANA
LITORZIA : F 15/03/2009 :
Vaomieran’ny Fitantanana |
|
|
2. |
MANADIO
FIANGONANA : F 14/03/2009 :
Ny Antoko Mpihira « Feon’Anjomara » |
|
|
ü vaovao
samihafa |
|
|
|
1. |
FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA Araka ny vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho
Olontsambatra tsy ho ela I Frera Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy
fantatra. Izy dia teraka tao |
|
|
€ Rakitra farany |
01/03/2009 |
253, 69 € |
|
( fifampizarana |
|
|
Takiana
amintsika anio ny hoe : « Omeo
izay angatahin'Andriamanitra ». Mitaky
fahatokisana tanteraka an'Andriamanitra izany eo amin'ny fiainantsika. Manoloana
ny hataka nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama : « Ento ny zanakao,
ilay lahy tokanao, ilay tianao, …atero izy ho sorona dorona … ». Tsy
nisalasala akory i Abrama fa Vokatr'izany : « Amin'ny taranakao
no hanasoavana ny firenena ambonin'ny tany satria nanaiky ny teniko ianao ». Ankehitriny
koa dia mbola te hiaina ary tokony hiaina izany ny kristianina. Nefa
indraindray ary mazàna dia toa mihozongozona ny fahatokisana sy ny fanarahana
an'Andriamanitra. Zavatra
mety mitranga izany. Ary tena mitranga tokoa. Saingy
ilay fahatokisana an'Andriamanitra dia hafa kely. 1. Satria tsy hitan'ny maso Izy. Ny Tenin'Andriamanitra
no hahafantarantsika Azy 2. Tsy misy afaka maka ny toerany ka milaza hoe : Izao
re no lazain'Andriamanitra aminao 3. Satria Izy Andriamanitra Ray dia mahay miresaka
amin'ny tsirairay amin'ny fomba tsy takatry ny sain'ny olombelona 4. Andriamanitra be fitiavana Izy, ary miandry koa ny
fahatokisan'ny olombelona Azy. Koa ny fahatokisana ny Teniny no hahatsapàna fa
tanteraka amintsika ny fahasoavany sy ny fitahiny. |
|
|
Bakoly RANDRIAMANANTENA |
|
|
Vaomieran’ny Kolontsaina |
|
|
8 MARSA : FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY
VEHIVAVY |
|
Noraisin’ny Ntaolo Malagasy ho toy ny fanaka malemy
na kofehy manaram-panjaitra na koa tendrombohitr’olona ny vehivavy. Fa na dia
izany aza, dia nomeny anaram-boninahitra ihany izy ireo: andriambavilanitra;
loharanom-pirenena izay misy ny fototeny hoe reny; tsipelamanga ravaky ny
tanety ; sahondra ravaky ny vato; mitoetra ravaky ny trano Mba ho fanatsarana sy fanajana ary fiarovana ny
zon'ny vehivavy, nanapakevitra ny firenena mikambana tamin'ny taona 1977 fa
ny 8 Marsa dia natokana ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny
vehivavy. Raha atao jery todika tokoa ny firenena eran-tany dia tsikaritra fa
mbola misy ireo vehivavy no very zo ; ao anatin'izany ny fihetsika sy ny
fitenenana mahery ary ny herisetra isan-karazany atao aminy. Ezaka lehibe no
nataon'ny firenena mikambana mba hanatsarana ny faripiainan'ny vehivavy ka
nomena ny anjara toerany ny vehivavy hampandrosoana ny firenena. Teo amin'ny
fahafahan'ny vehivavy mifidy amin'ny alalan'ny latsa-bato fotsiny dia efa
manome lanja ny toeran' ny vehivavy. Re matetika ny hoe ny lahy no lohan'ny vavy. Teo
amin' ny tantaram-pirenena malagasy kosa anefa, ny vehivavy dia efa nanana
toerana faratampony. Nisy ireo mpanjaka vavy nitondra an’i Madagasikara : Z RANAVALONA I :
1828 - 1861 Z RASOHERINA : 1863 - 1868 Z RANAVALONA II :
1868 - 1883 Z RANAVALONA III :
1883 - 1897 Eto am-pamaranana, raha niheno ny onjampeo milaza ny
vaovao eran-tany isika tamin'ity herinandro ity dia nahare fa sambany sady
voalohany nisy vehivavy nitondra fiara lehibe fitaterana olona tany Alzeria
tamin'ity taona 2009 ity. Ezaka lehibe izany mba hitovy zo hatrany ny lahy sy
ny vavy. Samy miaiky isika fa ny fitovianjo dia manampy ny
fampandrosoana ny firenena. Ho fohanana ilay fitenenana hoe « izy
lahy sady mahery, fa izaho sady vavy no malemy ». |
|
Lanto RAKOTOARIMANANA |
|
Vaomieran’ny
Kolon-tsaina |
|
|
|
« Hany
tokana ilazana izay vetsovetso moana sy eritreritra mandalo ao
an-tsaina ao foana ity andro iray ity,
tokana ihany isan-taona Dia ny fetin'ny vehivavy,
f'eto isika tafahoana » Voninkazo tsara voatra
mahalonaka ny taniny Sy mitondra fifaliana
amin'ny olona 'zay maminy, Masoandro mibaliaka
iantefan'ny fahasambarany Volana sariaka taratra,
manazava ts'isy farany. Loharanon'ny fitiavana,
bitsibitsika malefaka, Tsikitsiky, safosafo, hafaliana
maninteraka, Fototry ny Firenena sady
mpiahy ny taranaka Reny, vady, anabavy,
rahavavy, zafy, zanaka...
Nefa fantatra fa mafy
ireny vehivavy ireny, Vatolampy fehizoro,
andry, manda tsy mikoro Aina, toky ifefena mba
hampita fahendrena Raha ts'isy azy harena,
zava-poana izay jerena... Omeo ny anjara
mampivoatra ny finiavany mijoro ! |
|
Hanitr'Ony |
|
Vaomieran’ny
Kolon-tsaina |