“Mifankatiava ianareo tahaka ny nitiavako anareo”

( Joany 15, 12 )

Fiangonana Katolika Malagasy Paris sy Ile-de-France

171 Boulevard Brune – 75 014 PARIS

Site : http://www.fkmp.org/

 

H ISAN-TOKANTRANO

Alahady 08 Marsa 2009

N° 08

ALAHADY FAHAROA KAREMY – TAONA B

 

Inona no Sorona tena ankasitrahan’Andriamanitra ?

 

Mitantara ny finoan’i Abrahama  sy fahatokisany  tanteraka an’Andriamanitra ny vakiteny voalohany. Tamin’ny alalan’io finoana lalina feno fahatokisana io no nampisehoan’Andriamanitra tamin’i Abrahama ny mahaizy Azy : Fiainana fa tsy Fahafatesana no sitrany.  Tandindon’i Kristy Isaaka izay voalaza eto. I Kristy izay sorona mitondra Fiainana ho antsika. Araka ny voalazan’i Md Paoly ao amin’ny Vakiteny faharoa dia Andriamanitra mihitsy no manolotra an’i Kristy Zanany Lahitokana ho antsika olombelona mba hananantsika ny Fiainana mandrakizay. Izy no ilay Zanak’Ondry atolotra ho Sorona ao amin’ny Eokaristia manolo-tena ho antsika mba hahavelona antsika mandrakizay.

Izany maha-Andriamanitra Azy izany indrindra no asehony antsika mibaribary ao  amin’ny Vaovao Mahafaly androany izay mitantara ny niovan’i Jesoa tarehy tany an-tendrombohitr’i Thabor teo anatrehan’ny mpianany telo lahy izay vavolombelon’ny zava-nitranga hitany rehetra. Maneho ampahibemaso amintsika Izy fa Zanak’Andriamanitra ary dia Izy Andriamanitra Ray mihitsy no miteny mivantana amintsika hoe : « Ity no zanako malalako indrindra, henoy Izy. » Eto dia miantefa amintsika tsirairay avy izany antso izany amin’ny maha-kristianina antsika. Toa an’i Piera, Zaka ary i Joany, dia entin’i Kristy miaraka Aminy isika hivavaka, hihaino ny Tenin’Andriamanitra, hibanjina  Azy, sady ho vavolombelona hitory ny maha-zanak’Andriamanitra Azy . Ny tara-pahazavan’i Kristy niova tarehy no haninteraka ny fiainantsika ka hiovantsika eo anatrehan’Andriamanitra. Maro tokoa mantsy ireo zary lasa saron-tava manimba ny endrik’Andriamanitra ao amintsika  toy ny avonavona, ny fitiavan-tena, ny fialonana, ny fitiavam-bola be loatra, ny fitiavana voninahitra sns…. Ny Vavaka no fanoitra lehibe hiadiantsika amin’ireny ary ny fo mibebaka sy matoky an’Andrimanitra tanteraka no sorona ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. Koa avelao àry ny vavaka hanova sy haninteraka ny fiainantsika dia hamiratra ao amintsika ilay endrik’Andriamanitra.

Raha miaina ny Vaovao Mahafaly isika dia manova tarehy antsika koa Andriamanitra Ray. Manome fo tsara sy feno indrafo izy, fo mandefitra, mahay mamela heloka sy mihavana ary mahay mizara. Amin’izay ny sorona izay atolontsika dia ho sorona mendrika tokoa dia tsy inona izany fa ny fiainantsika manontolo, ny asantsika, ny tebitebintsika, ny hafaliantsika ... Ary ireo rehetra ireo dia akambatsika amin’ny mofo sy ny divay izay ho tonga Vatana sy Ra masin’i Kristy ilay Sorona faratampony  sitrak’Andriamanitra indrindra.

P. Edmond RAKOTONDRAMANANA

Aumônier


 

DIMANCHE 08 MARS 2009 – MESSE DU 2ème  DIMANCHE DE CAREME
Année B – Couleur liturgique : Violet

 

& VAKITENY MASINA Voalohany

 

Bokin’ i Jenezy

Jen. 22.
1 – 2, 9a, 10 – 13, 15 -18

Tamin’izany andro izany , Andrimanatitra nizaha toetra an’i Abrama ka nanao tamin’ny hoe « Ry Abrama ô ! »  Ary hoy izy : « Inty ao ».. Dia hoy Andriamanitra : « Ento ny zanakao , ilay lahy tokanao , ilay tianao , dia i Isaaka , ka mankanesa any amin’ny tany Môrià , ary rehefa mby any , atero izy ho sorona dorana eo ambonin’ny anankiray amin’ny tendrombohitra hatoroka anao » . Nony tonga teo amin’ny fitoerana natoron’Andriamanitra azy izy, dia naorin’i Abrama teo ny ôtely. Dia naninjitra ny tanany i Abrama ka nandray  ny antsy hamonoana ny zanany. Tamin’izay, niantso tany an-danitra ny Anjelin’ny Tompo nanao hoe : “ Ry Abrama ! ry Abrama ô ! Dia hoy ny navaliny : «  Inty aho  ». Dia hoy ny Anjely : «  Aza manainga ny tananao hamely ny zaza,ary aza maninomaninona azy akory, fa efa hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao, sady tsy nandà ianao fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao ho Ahy ». Ary nanopy maso i Abrama ka nahita ondrilahy anankiray teo ivohony, voasoringotry ny kirihitr’ala tamin’ny tandrony ; dia lasa i Abrama naka ilay ondrilahy, ka io no nateriny ho sorona dorana ho solon’ny zanany, Ary ny Anjelin’ny Tompo niantso an’i Abrama fanindroany  tany an-danitra, ka nanao hoe : «  Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho, hoy ny Tompo, noho ianao nanao izany sy tsy nandà, fa nahafoy ny zanakao, ilay lahy tokanao, ho Ahy dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kitana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony . Amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao »

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

 

& VAKITENY MASINA faharoa

 

Taratasy voalohan’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma

Rôm. 8. 31b - 34

Ry kristianina havana, raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika ? Izy tsy nandala ny tena Zanany, fa nahafoy Azy ho antsika rehetra, ka ahoana no tsy hanomezany antsika ny zavatra rehetra koa, miaraka aminy ? Iza no hiampanga izay voafidin’Andriamanitra ? Andriamanitra no manamarina azy, ka zovy no hanameloka ? Moa i Kristy va, ilay efa maty fa nitsangan-ko velona sy mipetraka eo ankavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika ?

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Hisaorana anie Andriamanitra !

 

& evanjely masina

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka

Mk. 9. 1 – 9

Tamin’izany andro izany, nalain’i Jesoa i Piera sy Jakôba ary i Joany ka nentiny nitokana tany an-tampon’ny tendrombohitra avo anankiray, dia niova tarehy teo anatrehany Izy, Tonga nanjelanjelatra sady fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany, ka tsy misy mpanasa lamba, mahadio lamba toy izany ety an-tany ? Ary niseho tamin’izy ireo i Elia sy i Môizy, sady niresaka tamin’ i Jesoa. Dia niteny i  Piera ka nanao tamin’i Jesoa hoe : « Raby ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, aoka hanao lay telo izahay, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia ». Fa tsy fantany izay nolazainy, satria raiki-tahotra loatra izy ireo. Tamin’izay dia nisy rahona nanarona Azy ; ary nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe : « Ity no Zanako  malalako indrindra, henoy Izy ». Niaraka tamin’izay dia nijerijery manodidina izy ireo, nefa tsy nahita olona intsony, fa i Jesoa irery sisa teo aminy. Nony nidina avy tany an-tendrombohitra izy ireo, dia norarany tsy hilazalaza amin’olona ny zavatra vao hitany, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona. Dia notanany tao am-pony izany zavatra izany, sady nifampaka saina izy ny amin’izay hevitr’izany hoe : mitsanga-ko velona.

 

Izany àry ny Tenin’ny Tompo

-

Dera anie ho Anao, ry Kristy !

 


¤ VAOVAOM-PIANGONANA

 

1.

MATSOM-PANAHIN’NY FIANGONANA

Ho fanomanana ny Paka amin’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao dia hanao Matsom-Panahy ny Fiangonantsika ny Alahady 29 Marsa 2009 tontolo andro. Ny fotoana dia manomboka amin’ny 9 ora maraina ary faranana amin’ny Lamesa eny an-toerana. Izany moa dia hatao etsy amin’ny Sœurs Aveugles de Saint-Paul 88, Avenue Denfert-Rochereau Paris 14ème. Métro Ligne N° 6 na RER B : Denfert-Rochereau.

2.

FIVORIAN’NY FILAN-KEVITRA PASTORALY :

Vita soa aman-tsara ny fivorian’ny Filan-kevitra Pastoraly. Zavatra maro loha no nodinihana tamin’izany dia ny ezaka pastoraly manaraka ; ny teti-bolam-piangonana 2008 ary ny vinavina teti-bola 2009 ; teo koa ny koranan-pianakaviana izay hatao ny asabotsy 18 avrily 2009 eny  Vert Saint-Denis (77) : PACHA

3.

VAOMIERAN’NY FINOANA :

Hanao Matsom-panahy ny Vaomieran’ny Finoana ny  Asabotsy 14 Marsa 2009 izao, tontolo andro, manomboka amin’ny 9 ora maraina ary mifarana amin’ny 5 ora hariva. Samy mivimbina ny sakafony ifampizarana. Manantena ny fahatongavan’ny mpikambana rehetra. Ho lazaina amintsika ny toerana. Ny lohahevitra dia mifantoka amin’I Masina Maria. Hisy koa ny fifanazavana eo amin’ny vaovaon’ny Fiangonana Eran-tany.

 

¦ soritr’asa manaraka

 

1.

KORANAM-PIANAKAVIANA :

Isika mianakavy no iaraka hanatontosa ny Koranam-pianakaviana izay hatao eny amin’ny toerana filanonana « PACHA » Vert Saint-Denis (77), ny asabotsy 18 avrily 2009. Manomboka amin’ny 9 ora alina. Manentena antsika mianakavy tsy misy avakavaka amin’izany.

 

FIZARANA ANDRAIKITRA

 

1.

MANENTANA LITORZIA :

F 15/03/2009 : Vaomieran’ny Fitantanana

2.

MANADIO FIANGONANA :

F 14/03/2009 : Ny Antoko Mpihira « Feon’Anjomara »

 

ü vaovao samihafa

 

1.

FANANGANANA HO OLONTSAMBATRA

Araka ny vaovao avy any Vatican dia hatsangana ho Olontsambatra tsy ho ela I Frera Raphael Louis RAFIRINGA. Hatao any Madagasikara izany fa ny daty mbola tsy fantatra. Izy dia teraka tao Antananarivo ny 3 novambra 1856 ary maty tao Fianarantsoa ny 19 may 1919. Malagasy voalohany tao amin’ny Fikambanan’ny Frères des Ecoles chrétiennes; Olomangan’ny Fiangonana sy ny Firenena izy. Nanam-pinoana lalina sy nanam-pahaizana no mpanabe nahafatra-po. Olomangan’ny Kolontsaina Malagasy.

 

Rakitra farany

01/03/2009

253, 69 €


( fifampizarana

 

 

 

Takiana amintsika anio ny hoe :

« Omeo izay angatahin'Andriamanitra ».

 

Mitaky fahatokisana tanteraka an'Andriamanitra izany eo amin'ny fiainantsika.

Manoloana ny hataka nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama : « Ento ny zanakao, ilay lahy tokanao, ilay tianao, …atero izy ho sorona dorona … ».

 

 

Tsy nisalasala akory i Abrama fa tonga dia lasa, nanatanteraka ilay baiko, nanirahana azy.

Vokatr'izany : « Amin'ny taranakao no hanasoavana ny firenena ambonin'ny tany satria nanaiky ny teniko ianao ».

 

Ankehitriny koa dia mbola te hiaina ary tokony hiaina izany ny kristianina.

Nefa indraindray ary mazàna dia toa mihozongozona ny fahatokisana sy ny fanarahana an'Andriamanitra.

Zavatra mety mitranga izany. Ary tena mitranga tokoa.

 

Saingy ilay fahatokisana an'Andriamanitra dia hafa kely.

1.    Satria tsy hitan'ny maso Izy. Ny Tenin'Andriamanitra no hahafantarantsika Azy

2.    Tsy misy afaka maka ny toerany ka milaza hoe : Izao re no lazain'Andriamanitra aminao

3.    Satria Izy Andriamanitra Ray dia mahay miresaka amin'ny tsirairay amin'ny fomba tsy takatry ny sain'ny olombelona

4.    Andriamanitra be fitiavana Izy, ary miandry koa ny fahatokisan'ny olombelona Azy.

Koa ny fahatokisana ny Teniny no hahatsapàna fa tanteraka amintsika ny fahasoavany sy ny fitahiny.

 

Bakoly RANDRIAMANANTENA

Vaomieran’ny Kolontsaina

 

 


 

8 MARSA :

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY VEHIVAVY

 

Noraisin’ny Ntaolo Malagasy ho toy ny fanaka malemy na kofehy manaram-panjaitra na koa tendrombohitr’olona ny vehivavy. Fa na dia izany aza, dia nomeny anaram-boninahitra ihany izy ireo: andriambavilanitra; loharanom-pirenena izay misy ny fototeny hoe reny; tsipelamanga ravaky ny tanety ; sahondra ravaky ny vato; mitoetra ravaky ny trano

Mba ho fanatsarana sy fanajana ary fiarovana ny zon'ny vehivavy, nanapakevitra ny firenena mikambana tamin'ny taona 1977 fa ny 8 Marsa dia natokana ho fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy. Raha atao jery todika tokoa ny firenena eran-tany dia tsikaritra fa mbola misy ireo vehivavy no very zo ; ao anatin'izany ny fihetsika sy ny fitenenana mahery ary ny herisetra isan-karazany atao aminy. Ezaka lehibe no nataon'ny firenena mikambana mba hanatsarana ny faripiainan'ny vehivavy ka nomena ny anjara toerany ny vehivavy hampandrosoana ny firenena. Teo amin'ny fahafahan'ny vehivavy mifidy amin'ny alalan'ny latsa-bato fotsiny dia efa manome lanja ny toeran' ny vehivavy. Teto Madagasikara, ny taona 1959 no nanomboka nanao latsa-bato ny vehivavy.

Re matetika ny hoe ny lahy no lohan'ny vavy. Teo amin' ny tantaram-pirenena malagasy kosa anefa, ny vehivavy dia efa nanana toerana faratampony. Nisy ireo mpanjaka vavy nitondra an’i Madagasikara :

 

Z RANAVALONA I        : 1828 - 1861

Z RASOHERINA          : 1863 - 1868

Z RANAVALONA II       : 1868 - 1883

Z RANAVALONA III      : 1883 - 1897

Eto am-pamaranana, raha niheno ny onjampeo milaza ny vaovao eran-tany isika tamin'ity herinandro ity dia nahare fa sambany sady voalohany nisy vehivavy nitondra fiara lehibe fitaterana olona tany Alzeria tamin'ity taona 2009 ity. Ezaka lehibe izany mba hitovy zo hatrany ny lahy sy ny vavy.

 

Samy miaiky isika fa ny fitovianjo dia manampy ny fampandrosoana ny firenena. Ho fohanana ilay fitenenana hoe « izy lahy sady mahery, fa izaho sady vavy no malemy ».

 

Lanto RAKOTOARIMANANA

Vaomieran’ny Kolon-tsaina

 


 

Ny vehivavy

« Hany tokana ilazana izay vetsovetso moana

sy eritreritra mandalo ao an-tsaina ao foana

ity andro iray ity, tokana ihany isan-taona

Dia ny fetin'ny vehivavy, f'eto isika tafahoana »

 

Voninkazo tsara voatra mahalonaka ny taniny

Sy mitondra fifaliana amin'ny olona 'zay maminy,

Masoandro mibaliaka iantefan'ny fahasambarany

Volana sariaka taratra, manazava ts'isy farany.

 

Loharanon'ny fitiavana, bitsibitsika malefaka,

Tsikitsiky, safosafo, hafaliana maninteraka,

Fototry ny Firenena sady mpiahy ny taranaka

Reny, vady, anabavy, rahavavy, zafy, zanaka...

 

Misy ny milaza foana fa hoe fanaka malemy

Nefa fantatra fa mafy ireny vehivavy ireny,

Vatolampy fehizoro, andry, manda tsy mikoro

 

Aina, toky ifefena mba hampita fahendrena

Raha ts'isy azy harena, zava-poana izay jerena...

Omeo ny anjara mampivoatra ny finiavany mijoro !

Hanitr'Ony

Vaomieran’ny Kolon-tsaina