Mahery vaika fa tsy mahery setra ny fitiavana

Betsaka tokoa izay voalaza hatramin’izay nandrenesana fa lasa nantsoin’ny Ray hody any Aminy ilay Raiamandreny lehibe iombonantsika dia ny Kardinaly Armand Gaëtan RAZAFINDRATANDRA tamin’ny asabotsy 09 janoary 2010 lasa teo. Isan’ny teniny farany raha nitarika ny Lamesam-pandevenana an’Itompkolahy Jacques SYLLA izy ka nanao hoe : nahoana tokoa moa no alahelo, hoy izy, raha ny Ray  no miantso. Tsy tokony ho faly ve isika, hoy izy. Ary nampiany hoe : ny olona mody tsy arahi-maso. Izay tenin’ny Kardinaly izay no hajaiko amin’izao lahatsoratra izao.  Tsy tsilalao teny no ilazana fa mahery vaika ny fitiavana fa tsy mahery setra akory. Tsy misy tsy vitan’ny fitiavana raha tena fitiavana fa tsy fitiavan-tena. Resaka fitiavana fotsiny no noventesina sy nohiraina nandritra ny Sorom-pisaorana

Kardinaly    

Tsy ny kristianina katolika ihany no vory lanina tao amin’ny Paroasy Saint Dominique ao amin’ny Paris 14ème  tamin’ny Sorona Masina Lehibe nokarakarain’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile de France (FKMP), fa tonga tao koa ireo nasaina dia ny ANCMF (Fiangonana Katolika Malagasy aty Frantsa) notarihan’ny Filoha Nasionaly Raphaël ANDRIAMAHEFA sy ramatoa vadiny. Ny FFKM Frantsa notarihan’ny Toniany dia Andriamatoa Nicolas RAZAFINDRATSIMA avy ao amin’ny Fiangonana Anglikanina Malagasy sy ireo Pasitera avy ao amin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA) miaraka amin’ireo kristianina ; ny Solontena Maharitr’i Madagasikara eo anivon’ny UNESCO, Ramatoa Irène RABENORO sy ny mpiara-miasa aminy. Singanina koa ireo Relijiozy vavy Malagasy mamita iraka aty Ampita. Teo koa ireo mpiray tanindrazana Malagasy marobe. Hipoka tanteraka ny Fiangonana. Ny Aumônier-ny FKMP, ny RAP Edmond RAKOTONDRAMANANA no nitarika ny Sorona Masina. Niara-nanolotra izany taminy ny Mompera isany SALOMON-LEGAGNEUR, niandraikitra ny Pastorale des Migrants nandritra ny 15 taona teto amin’ny Diosezin’I Paris ; Germain RAJOELISON, Aumônier teto Paris 1984 – 1986 sady Praeses teo aloha ny Institut Catholique de Madagascar (ICM) ; Jean-Claude JAQUARD, Aumônier teto Paris 1978 – 1982, izy no lehiben’ny “Maison-Mère ny Fikambanana Spiritains eto Paris izao ; RAHAVANA avy ao amin’ny Diosezin’I Miarinarivo ; Richard RAHASASON avy ao amin’ Diosezin’I Ihosy ; Jean-Paul RAKOTONOMENJANAHARY Fikambanan’ny Lasalety avy ao Antsirabe. Ny firedonana ny hira fidirana dia nampanakoako sahady fa ny fitiavana nasesiky ny finoana no mahavory ireto olona marobe ireto “Sambatra ianao e nino ny Tompo…”. Moa tsy namaly izany antsom-pitiavana izany và ny Kardinaly raha vao 13 taona fotsiny ka niditra teny amin’ny Seminera zandriny teny Ambohipo ny taona 1938 mba ho tonga ho Mpisoron’ny Avo indrindra, hanompo ny vahoakan’Andriamanitra. Nasesiky ny fitiavana izy ka ny hafanampo rehetra nasehony, ny fahazotoana dia voakatry ny fitiavana avokoa.


   

FITIAVANA IHANY                                                     
I Mompera RAHAVANA no nitoriteny, ka nasongadiny ny Antsam-pitiavana nataon’I Md Paoly ho an’ireo Kristianina tao Korinto. Ny Andriamanitsika, hoy I Mompera RAHAVANA, dia Andriamanitra Fitiavana. Koa raha nohariana itovy endrika Aminy isika, dia mandray izany fitiavana izany. Nateraky ny fitiavana isika tamin’ny Batemy. Nampatsiahiviny teto ny fiteny mahazatra an’ny kardinaly hoe : raha Fitivana Andriamanitra dia isika izao no Razanapitiavana. Fahamboniana izany fa nentina hanompoana kosa ireo namana. Fitiavana ihany no nahavitan’ny Kardinaly ny zavatra rehetra sy nilofosany sy notanterahany. Notiaviny manokana ireo madinika, ireo mahantra. Teo ny nanorenany ny fikambanana “Marolefa”, izay nanompanany ny asany amin’ny fitondrana ny zanaky ny fianakaviana sahirana manao vakansy toy ny ankizy hafa rehetra. Ka asa asesiky ny fitiavana fa tsy sento no anirahana antsika. Araka ny hiran’ny Antoko Mpihira ekiomenika telo tonta (Katolika, Protestanta ary Anglikanina) taorian’ny toriteny manao hoe :”na ny onena ny fonao, na tomany ny maso. Tsy izany no ilaina fa FIFANKATIAVANA”. Koa tsy arahi-maso tokoa ny olo-mody, hoy Kardinaly. ELIASY Liva, Filohan’ny FKMP no nampatsiahy fohy ny sombin-tantaram-piainan’ny Kardinaly teo am-piandohan’ny Fanompomapivavahana.

   

FITIAVANA HATRANY
Raiamandreny nanana ny toerany teo amin’ny Fiangonana sy teo amin’ny Firenena ny Kardinaly. Anarana mipetraka hotadidian’ny taranaka mifandimby. Ny fahaizany mifandray amin’olona, ny filofosany amin’izay andraikitra rehetra notanany, ny mahasarotiny azy amin’ny fanajana ny fampianaran’ny Fiangonana. Ireny rehetra ireny dia hahatsiarovana ny anarany mandrakariva.

Ho an’ny Fiangonana eto Paris FKMP dia ity no Fiangonana voalohany nentiny. Aumônerie des étudiants Catholiques izy tamin’izany. Ny 14 oktobra 1954 izy no nahazo ny taratasy fanendrena sy fanomezam-pahefana azy tamin’ny Arsevesen’i Paris hitondra ny Aumônerie-ny Mpianatra Malagasy izay nivelona toy ny Paroasy mihitsy. Nanampy azy i Mompera Anselme RAJAONA. Ireo toetrany notanisaintsika ireo dia teto amin’ny FKMP no nisantarana azy. Fahaiza-manentana, tia fifanakalozan-kevitra ka nisy karazana conférence natao matetika teto amin’ny FKMP mba hifampizaran’ireo mpianatra Malagasy hevitra sy ho fitaizana. Naoriny ny gazety FEHIM-PIHAVANANA teto Paris, ifandraisan’ny katolika Malagasy sy ireo mpiray tanindrazana. Izy no nampanao Zaikabe voalohany ho an’ny mpianatra rehetra teto Frantsa, ka notsidihany ireo mpianatra tany amin’ny Provinces. Ary tamin’ny androny no nisian’ity koranam-pianakaviana izay tohizintsika ho lovantsika isaky ny Misasak’alina, ny 24 desambra ity. Ary lasa fety ho an’ny Malagasy rehetra teto Paris izany. Ny fanaovana Fivahiniana Masina.. Taty aoriana dia tsy manadino mihitsy izy fa rehefa mandalo eto Paris ka afaka dia manolotra Sorona Masina foana teto amin’ny FKMP. Koa tamin’ny taona 2004 dia nankalazaina teto amin’ny FKMP ny faha-50 taona naha-pretra azy sy Aumônier azy teto Paris ; ny faha- 25 taona naha-Eveka ary faha-10 naha-Kardinaly azy. Tonga nandray anjara tamin’izany ireo Raiamandreny ao amin’ny FFKM Frantsa.

   

ILAY FEON’NY FITIAVANA
Talohan’ny nandraisana ny Tsodrano fanirahana, dia nandray fitenenana ny solontenan’ny FFKM Frantsa dia nilaza fa be no azo ambara raha ny fiainan’ny Kardinaly no hotsiahivina. Singanina eto kosa ny maha-olon’ny Eokiomenisma azy.« Mba ho iray ihany anie izy rehetra », teny nofidiany tao anatin’ny Vaovao Mahafaly nosoratan’i Md Joany, mba ho tarigetrany.  Tsy mahagaga io safidiny io raha ny fankamamiany ny Fampiraisam-pinoana no heverina. An-koatra ny fitiavany ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora dia isan’izay nijoroany ho Vavolombelona tanteraka ny Eokomenisma. Novakiana tao ny “témoignage” nalefan’I Pasitera Josoa RAKOTONIRAINY, avy any La Réunion sady Tonia naharitra tao amin’ny FFKM tany Madagasikara 1993 - 2000. Niara-niasa akaiky tamin’ny Kardinaly izy. Raha feno folo taona no nitsidihan’ny Papa Joany Paoly faharoa an’i Madagasikara (1989), dia izy, izay voatendry ho Kardinaly, nanomboka ny Febroary 1994, no nangataka ny Papa, hanasa ny Filoham-piangonana tao amin’ny FFKM, hitsidika ny Papa tao Vatican. Ka dia voaasa tany Vatican ary nivahiny tany nandritra ny folo andro, ny Filoham-piangonana telo mirahalahy, miampy azy rahateo sy ny Tonia, ny taona 1999.

Ny solontenan’ny fianakaviana no nandray fitenenana farany nisaotra ny rehetra. Ary ho mbola mari-pitiavana ihany koa dia nisy ny fiaraha-miala hetaheta sy tsakitsaky taorian’ny fotoana. Mariky ny nofon-kena mitam-pitiavana. Nofehezina tamin’ilay hira nankafizin’ny Kardinaly “Injany fa miantso ahy ny feon’ny fitiavana....mahery vaika mantsy ka tsy azoko ampanganina” Koa ny tena fitiavana tokoa dia mahery vaika tsy azo andosirana fa mila tsodrano hahefa be. Ho marihan’ny tantaran’ny Fiangonana Malagasy eto Paris iny fotoan-dehibe iny. Tsy nohadinoana  ny Olontsambatra Victoire RASOAMANARIVO, izay nohandraindrain’ny Kardinaly mafy ny hanatrika ny fanganana azy ho Olomasina. Izay no lahatra, any an-kohatra izy mianaka no mihaona.

Liva ELIASY
(sary fkmp.org)

 



  Thierry ANDRONIC