Sabotsy 29 jona 2008, ANTSAM-PANAHY : FEON'ANJOMARA

Feon'Anjomara   Mpijery

"Fiainana ny Vaovao mahafaly"
Izany no loha-hevitra nofidian'ny antokom-pihira FEON'ANJOMARA tamin'ny antsam-panahy lehibe nokarakarain'izy ireo, ny sabotsy 29 jona 2008.
tao amin'ny "crypte de l'eglise Saint Dominique" Paris 14ème.

Azo lazaina fa samy nitondra hafaliana nody avokoa ireo olona marobe tonga nanatrika sy nanotrona ny fotoana.
Gadon-kira samihafa: miredona, milanto, mihetsiketsika... Teny malagasy (anisan'izany, ohatra, ny teny Betsileo), latina, anglisy.

Luc sy Mahery   Fahatsiarovana an'i Bodo
"Ny hiran'ny Lanitra" miaraka amin'i LUC sy MAHERY

Efa fomba mahazatra ny FEON'ANJOMARA hatramin'izay moa ny manasa antokom-pihira hafa rehefa mikarakara rinadran-kira toy izao izy ireo. Niavaka kosa anefa izany tamin'ity indray mitoraka ity satria mpihira azo lazaina fa manana ny lazany eo amin'ny sehatry ny zava-kanto Malagasy no tonga nandray anjara dia tsy izany fa i LUC sy MAHERY.

Teo ampamarana ny fotoana dia tsy nanaiky ny mpijery raha tsy nato "bis" ilay hiran'ny vondron'ny Artista Malagasy VHF: "Ny hiran'ny Lanitra"... nampiarahana tamin'ny tehaka sy dihy




  Thierry ANDRONIC