Fankalazana jaobily mariazy

   
Nijoro ho vavolombelona
izy ireo ka nampatsiahy fa sakramenta tokoa ny fanambadiana
.
Nankalazaina ny alahady 8 febroary lasa teo ny jaobilin’ny faha-40 taonan’ny fanambadian’i Monique sy Paulin RAKOTOMAVO, Florence sy Félix RAKOTONDRATSIMA ary faha-48 taona ho an’i Henriette sy Jean ANDRIANJANAHARY.

Rehefa nentina ambavaka nandritra ny lamesa izany jaobily izany, dia nijoro ho vavolombelona izy ireo ka nampatsiahy fa sakramenta tokoa ny fanambadiana.
Mila fandeferana, mitaky adidy sy andraikitra indrindra eo amin’ny lafin’ny fanabeazana ny zanaka. Tena ilaina ny mapiseho toetra mendrika satria no modely ny ray aman-dreny.
Mifandimby ao anaty tokan-trano ny fifaliana sy ny olana andavan’andro. Ny fanambadiana tokoa mantsy dia toy ny lamba jiafotsy, vao tsy ialan-kasokasoka; tonta tsy ialan-dromoromo!
Tandremo koa ny hasarotam-piaro ary hajao ny tokantrano.
I KRISTY no aoka anjaka eo amin’ny fiainan’ny mpivady, na koa ho an’ireo izay mifamofo, eny fa fa ho an’ireo izay efa ela nihetezana.

Nisy moa fanomezana manokana natolotry ny Fiangonana ho azy ireo ho mariky izany vanim-potoana lehibe izany.
Nampihetsi-po ho an’ireto ray aman-dreny nankalaza ny jaobily mariazy sy ireo olona maro be nanotrona ny nahita sy niheno ny kabary tamin’ny teny malagasy nataon’ireo ankizy kely zanaky ny Fiangonana (hisaorana manokana etoana ireo mpanabe ao amin’ny vaomieran’ny KOLONTSAINA tsy mikely soroka mampianatra azy ireo ny teny tenin-drazana sy ny vakoka malagasy).
IMAHAGAGA sy IMAHALATSA
 
Nanohina ny maro tokoa raha ny tantaran’ireo zaza kambana niraikitra (« siamois ») ireto.
Hatrany Madagasikara ka hatraty Frantsa no nisy olona maro (olon-tsotra, mpitsabo malagasy sy vahiny, ny fitondrana malagasy…) no nifanome tanana mba hanatanterahana ny fandidiana an’i IMAHAGAGA sy IMAHALATSA
Mbola io andron’ny alahady 8 febroary io ihany no tonga niara-nivavaka tamin’ireo kristiana eto amin’ny FKMP Ramatoa ANJARAMENA renin’ireto zaza kambana . Nanotrona azy koa tamin’izany ny dokotera-anesthésiste Jaques RANDRIANATOANINA izay anisan’ireo olona nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fanafarana azy telo mianaka avy any AMBOASARY (faritry atsimon’ny Nosy) ho aty Frantsa toerana nanaovana ny fandidiana.

Isaorana tokoa Andriamanitra satri vita soa aman-tsara ny fandidiana ary dia salama tsara tokoa Imahagaga sy Imahalatsa.
Ho fanohana sy fanampiana azy ireo ihany dia nisy rakitra manokana nataon’ny fiangonana tamin’izany.
Tsy hain-dramatoa ANJARAMENA reninizy roalahy kambana ny nanafina ny hafaliana sy ny fihetsem-pony tamin’ny teny fohy nataony ho fisaorana ny rehetra.
   
Rtoa ANJARAMENA
Dr J RANDRIANATOANINA

sy ireo olona tonga nanotrona ny fotoana



  Thierry ANDRONIC