| IZAY MAHAVANGIVANGY TIAN-KAVANA E! Tonga nanao fitsidihana pastoraly teto amin’ny Fiangonana Katolika Malagasy eto Paris sy Ile de France (FKMP) i Mgr Xavier RAMBAUD ny alahady 19 oktobra 2008. Andro ihany koa natokan’ny Fiangonana Eran-tany amin’ny Fampielezam-pinoana. Fitsidihana voalohany eto amin’ny FKMP izao nataony izao hatramin’ny nandraisany ny andraikitra maha- Vicaire épiscopal azy misahana indrindra ireo « Communauté Catholique Etrangère » eto amin’ny Diosezin’i Paris. Izy tokoa moa no miandraikitra indray ny « Service des Communautés Etrangères et Prêtres étudiants étrangers » nanomboka ny volana septambra teo, nisolo an’i Mgr Philippe SIMON-BARBOUX, voatendry amin’ny andraikitra hafa. |
![]() |
![]() |
![]() |
![]() |
Endrika mirana sy faly no nasehon’ny Kristianina. Faly midera an’Andriamanitra ary mirana fa tonga vahiny, raiamandreny mpankahery am-pinoana. Ary izay mahavangivangy tokoa tian-kavana e.
|
Nitarika ny Sorona Masina izy, nanotrona azy i Mompera Edmond RAKOTONDRAMANANA, Aumônier eto amin’ny FKMP. Ny Biraom-piangonana izay Biraon’ny Filan-kevitra pastoraly no nanentana ny Fanompoam-pivavahana. Teo am-panombohana ny Sorona Masina no nanomezan’i Mgr Xavier RAMBAUD tsodrano fanirahina an’ireto Birao vaovao ireto ka nantsoiny tamin’ny fanampin’anarany avy dia : Liva (Filoha), Nary (Filoha Lefitra), Rivo (Mpitantsoratra), Sahondra (Mpitambola), Mirana (Mpitantsoratra mpanampy) ary Priscilla (Mpitambola mpanampy). Hahefa be eo amin’ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, amin’ny asa fanompoana anirahan’ny Fiangonana azy ireo dia ny fampiroboroboana ny asan’Andriamanitra eto amin’ny FKMP sy ny fanentanana ny Kristianina.
Nafana tokoa ny Fanompoam-pivavahana. Ny hira miredona, ny zava-maneno miraondraona aok’izany. Ny Malagasy rahateo tia mihira e. Endrika mirana sy faly no nasehon’ny Kristianina. Faly midera an’Andriamanitra ary mirana fa tonga vahiny, raiamandreny mpankahery am-pinoana. Ary izay mahavangivangy tokoa tian-kavana e.
![]() |
![]() |
![]() |
Ho mafy ny fihavanana, hoy ny Malagasy, raha mahay mizara ny manta sy ny masaka isika. Koa nisy fiaraha-miala hetaheta taorian’ny Sorona Masina, narahana tsakitsaky. |
Satria moa Andro natokana ho an’ny Fampielezam-pinoana koa io, dia nisy rakitra manokana natokana ho an’izany taorian’ny Komonio. Izany fandraisana anjara izany dia fanehoana firaisan-kina eo amin’ny fanohanana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly, no manamafy ihany koa ny Fiombonana amin’ny Diosezy sy ny Fiangonana Eran-tany. |
![]() |